Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70400

Hita dia tsy hita tampoka : any Andranomanelatra Ravalomanana Marc

$
0
0
RAVALOMANANA-150415

Mitsidika ny orinasany any Andranomanelatra ary nisafidy ny hijanona any an-toerana Ravalomanana Marc. Fanazavana avy amin’ny mpiara-dia aminy izany. Tsy marina ny filazana fa nanjavona tsy hita popoka nandritra ny andro vitsy ity filoha teo aloha ity. Mbola miteraka resabe ny nanakanana azy tsy handray anjara fitenenana ary miandry izay tena vaovao marina momba izany ny mpomba azy. Ifanilihan’ny mpitondra mantsy ny andraikitra.

Niteraka voka-dratsy eo amin’ny fifandraisan’ny filoha teo aloha sy ny fitondrana ny fihetsika nataon’ity farany, isan’izany ny fialan’ny ankolafy amin’ny fampihavanam-pirenena. Miandry izay ho tohin’ny fifampidinihana sy ny fifandresen-dahatra eo amin’ny roa tonta ny rehetra ahafahana indray miroso amin’ny dingana manaraka. Miandrandra ihany koa ny firosoana amin’ny dingana manaraka eo amin’ireo filoha roa hafa izay niala an-daharana tanteraka.

Nadia


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70400

Trending Articles