Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70542

Resaky ny mpitsimpona akotry : Gasy ka milefitra

$
0
0

Raha tia handoka tena na handoka vahoaka dia lazaina fa be fandeferana ny Malagasy, sarotra lavina izany raha mijery ny fahoriana mianjady amin’ny mponina ka mandinika ny harena misy eto amin’ny Nosy nefa tsy hain’ny mpitondra nifanesy ny fampiroboroboana izany mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka. Indraidray anefa rehefa tafahoatra ilay fandeferana feno fahendrena toa misarisary fileferana mitory hakanosàna.
Akory atao? Izao no zava-misy, hirotaka isak’izay tsy mandeha amin’ny laoniny ve ny raharaha, tsy ho lany amin’izany ny fotoana, ny kibo efa fisaka anefa tsy maintsy omena na ny kely tsy hampigoraona azy. Marina ilay fampianarana nampitaina mpandinika ara-pôlitika avy any ivelany: “taizao ao anatin’ny fahantrana sy ny tsy fahampiana ny maro an’isa ary aza vatsina fianarana mampahiratra saina, dia ho voafatotra tsy hanam-potoana hanariana andro amin’ny fikorontanana ny ankamaroan’ny mponina”.
Asa na noho ny fahaiza-mandefitra na noho ny tsy fahafahana manohitra dia nilefitra daholo ny mpitondra sy mpitaingina fiara.
Rehefa misy olana ara-teknika ny fiara mikatso ny fifamoivoizana noho ny hateren’ny arabe eto Iarivo. Iny Ambatomitsangana iny moa dia matetika mandady mora dia mora ny fizotry ny fiara, izay iray na manaraka sarety sarotra songonana, na noho ny fibahabahanana fanaon’ny taksibe, na taksi lany lasantsy izay… Fa tamin’ny Alakamisy teo dia efa sangy mihoatra ny fetra azo zakaina. Amin’ny valo ora maraina no niharan’ny fahasimbana ny fiara-be iray, tsy azo ifanenana ny lalana ka tsy maintsy nifandimby ny avy any atsinanana sy ny miankandrefana. Vetivety avy eo Ambatomintsangana dia nipaka any Ambodimanga-Besarety andaniny ary any Ambodiraotra sy Antsakaviro sy iny Ankadivato iny ankilany ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Amin’ny telo ora tolakandro mbola toy izay ihany ny fitarazohana. Olona aman’arivo no lany adiny iray na atsasak’adiny raha kely. “Gasy ka milefitra”. Efa tsy misy rariny intsony, fiara-be mangozohozo vesaran’ny biriky aman’aliny, tsy tokony homena alàlana manokana hananika tanàna amin’ny antoandro kosa! Eran’izao tany mandroso rehetra izao ny famatsiana kojakoja fanamboarana trano dia atao vao maraina, amin’ny 7 ora efa “barakay”, anjaran’ny hafa indray ny lalana sy ny arabe. Izany moa dia mila fandrindràna, izany fandrindràna izany dia mitaky mpandrindra sahy ary mikaroka ny rariny ao anatin’ny fanajàna lalàna. Andro fisavasavàna, fikarohana izany mpandrindra izany izao ry mpifidy.

Léo Raz  


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70542

Trending Articles