![]()
Lavon’ny balan’ny polisy tao amin’ny fokontany Taranta, 23 km atsinanan’i Manja an-tampon-tanàna, ny zoma lasa teo, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Zanely. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa mihaodihaody ao an-tanàna, tamin’io fotoana io, ny dahalo efa-dahy efa nokarohin’ny polisy hatramin’ny volana desambra 2018. Tsy niandry ela ny polisy fa nidina avy hatrany teny an-toerana rehefa […]