![]()
Nanao tatitra tamin’ny filohan’ny Repoblika ny praiministra lehiben’ny governemanta, ny alahady teo, amin’ny fepetra efa noraisin’ny governemanta momba ny valanaretina kitrotro. Notsindrin’ny filohan’ny Repoblika ny maha zava-dehibe ny fahitana mandrakariva ny fitondram-panjakana eo akaikin’ny vahoaka ao anatin’ny zava-misy iainany andavanandro, indrindra raha sendra loza voajanahary tahaka izao. Ilaina ny fandraisana andraikitra haingana avy amin’ny fanjakana […]