Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Kabary : hotokanana ny Faritany Fimpima Frantsa

$
0
0
KABARY

Rantsana, sampana, faritany. Rafitra antanatohatra maneho ny velarana na faritra misy ny fikambanan’ny Mpikabary Malagasy (Fimpima) ireo. Raha ny vaovao azo avy any Frantsa, hotokanana ny 6 avrily manomboka amin’ny 2 ora tolakandro ao amin’ny Centre International de Séjour de Paris (75012 Paris Tram 3 a, fijanonana Motempoivre) ny Faritany Fimpima Frantsa. Fotoana hanaovan-dRamandraivonona Dera, filohan’ny Faritany Fimpima Frantsa, fianianana rahateo.

Hifanindran-dalana amin’izany ny fianianan’ny filohan-tsampana avy any Mulhouse, Orléans, Paris, Strasbourg. Famoahana mpiofana kabary andiany 2014-2015: Soimanga (Mulhouse), I Vala Paris (Paris), Hanitry ny Havozo (Strasbourg) ary Tsara Volana avy any Orléans. Fanasaloran-damba ireo mpikabary andia nivoaka ny taona 2014: Fanilo (Lille), Salohy (Paris), Iambovola (Rennes), Volampeno (Tours) ary Mazav’Atsinanana (Strasbourg).

Ireo rehetra ireo, arahina seho an-kabary, hira sy dihy, fanehoana boky sy asam-pikarohana.

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70716

Trending Articles