Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Mananara avaratra – Maroantsetra : ihazakazahana ny famindran-toerana ireo andramena

$
0
0
Andramena 25 marsa

  Ihazakazahana mafy, amin’izao fotoana izao, ny famindran-toerana ireo tahirin’andramena any amin’ny disitrikan’ i Mananara Avaratra sy Maroantsetra. Hatreto, raha ny loharanom-baovao, saika avy ao Rantabe, Ampamolahana, Morafeno, Antanabe, no ahitana betsaka ireo hazo sarobidy ireo. Ezahina afindra any Cap Masoala ireo hanamora ny fandraisan’ny sambo vahiny azy. Fantatra any an-toerana izao ny famatsiam-bola efatra tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena hanangonana sy hanisàna indray ireo andramena ireo. Izay no mahamaika ny sasany hanondrana haingana ireo hazo sarobidy ireo.

Miparitaka ny vola ho an’izay vonona hifanometanana sy tsy hanenlingelina ny famindran-toerana ireo andremana ireo. Etsy ankilan’izany, mbola tsy sahy mivoaka masoandro ilay mpanao gazety iray ao Mananara, naka sarin’ ireo mpanondrana andramena.

 

Momba ireo Sinoa nahazo fahafahana vonjimaika

Nandefa iraka manokana nanao fanadihadiana eto Toamasina ny praiminisitra momba ny fahazoan’ireo teratany sinoa nitondra ny sambo Min Tai Leng, voarohirohy tamin’ny fikasana hanondrana andramena sy hanjono an-tsokosoko, nomen’ny fitsarana fahafahana vonjimaika ny 23 febroary lasa teo. Heverin’ny maro fa endrika kolikoly avolenta ny ao ambadika ity raharaha ity. Raha marina izany, hafindra toerana fotsiny sa ho voasazy ny mpitsara nanapaka izany ? Nilaza kosa ny mpitsara sasany nanaovana fanadihadiana fa zon’ny tsirairay ny mangataka fahafahana vonjimaika. Araka ny antontan-tataratasin’adiny no hahazoana izany na tsia.

Sajo


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles