
Nitrangana fandravana trano indray teny Anosibe Tsena, omaly antoandro. Tonga teny an-toerana ny vadintany sy ny mpitandro filaminana izay tampoka tamin’ny tompon-trano izany, raha ny fanazavan’izy ireo. “Tsy nisy fampandrenesana natao taminay fa ireo mpandrava efa tonga no nahataitra anay”, hoy ireo rava trano.
Nilaza kosa anefa ny vadintany fa efa nisy ny dingana narahina matoa tonga amin’ny fandravana toy izao.
Anisan’ny mampitaraina ireo rava trano ny fahoriana mianjady amin’izy ireo satria tsy mahita toerana haleha intsony.
“Ny traboina aza efa manahirana ny fanjakana ny mikarakara azy nefa ny manan-trano indray rava”, hoy hatrany izy ireo.
Nanao antso avo amin’ny tokony hijeren’ny fanjakana sy hamoahana lalàna ho an’ny mpanajary ny tany, ny Société civile en Action (SCA). An’hetsiny ny olona traboina raha mbola mitohy ny fandravana trano. Nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana, araka izany, ireo fianakaviana rava trano.
J.C