Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Tolom-panafahana… Tolom-panahafana…!

$
0
0
indraim-bava

 Mbola tsy fantatra mazava hatramin’izao raha ny mpanjakazaka an-tanin’olona na isika Malagasy ilay niketrika sy nanatanteraka ny “Raharaha 29 marsa 1947”. Ny azo antoka, naripaky ny vahiny sy ny forongony ireo nambarany ho “mpikomy”. Voalazan’ny mpahay tantara sasany fa manana endrika “Tolom-panafahana” iny hetsika iny. Niady mafy mba hiverenan’ny Fahaleovantena nesorina an-keriny taminy ny Malagasy… Natolotra antsika tokoa izany tamin’ny taona 1960… Vita ny “Tolom-panafahana”!

… Taty aoriana, nivadika ho “Tolom-piavotana” ilay “Tolom-panafahana”. Nomasahana ara-poto-kevitra ny “vahoaka”. Hatramin’ny fiaramanidina avy no nomena anarana “Tolom-piavotana”. Ny tononkira, rakotra “Tolom-piavotana”. Niteny indray ny mpahay tantara hafa fa rivotra nitsoka avy any atsinanana ity nitondra ny “Tolom-piavotana” eto amintsika ity fa tsy isika velively…

Nitohy ny dia… Nipoitra tsikelikely teny ny “Tolona iaraha-manana”, nivadika ho “ady amin’ny…” (fahantrana, tsy fandriampahalemana, tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra, sns) satria novakina isan-tsehatra ilay “Tolona”.

Ankehitriny, tsy mbola niloa-bava ny mpahay tantara kanefa efa tafiditra ao anatin’ny “Tolom-panahafana” nandritra ny taona maromaro isika. Tahafina avy any ivelany avokoa ny zava-drehetra. Nanjary tsy manana ny maha izy azy intsony Ramalagasy fa ny avy any ivelany ihany no tena zavatra. Miainga amin’ny zava-bitika ka hatrany amin’ny goavana indrindra, tahafina avy any ivelany avokoa. Volo lokoina mavo, ny lela zarina hilalao “r”, ny firaisankina nosoloina vola,…

Tolona tsy omby tratra” mihitsy ny fanaovana izany satria olo-mandroso izay mahay manahaka. Inona indray re ny karazana “tolona” hivoaka atsy ho atsy e?

HaRy Razafindrakoto


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles