Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Resaky ny mpitsimpona akotry : tsy ny jiolahy irery ihany

$
0
0

Mitombo hatrany ny mpamono olona ! Tsy atao resaka intsony ny herisetra amin’ny asan-jiolahy rehefa manao fanafihana izy ireny, tsy manana hantra amin’ny fandratrana tsy misalasala koa indraidray handatsa-drà. Maro koa anefa ireo mpandatsaka ain’olona eny amin’ny lalambe ifamoivoizana, tsy fanahiniana angamba fa noho ny hamaivanan-tsaina sy tsy fahampiana fandinihana no mahatonga ny loza mitranga. Tsy manala ireny olona ireny amin’ny fizakana ny voka-dratsin’ny tsy fahampian’ny fitandremany izany. Rehefa mampiasa fananana iombonana toy ny lalana sy arabe dia samy voatery hifehy tena amin’ny fahamalinana sy amin’ny fanajàna ny lalàna sy ny fepetra fandaminana ny fifamoivoizana. Maro ireo antony mety hitarika amin’ny fivarinana any amin’ny fihoaramam-pefy : eo ny harerahana sy ny tsy fahampian-torimaso, eo ny setrasetra ateraky ny fahataitairana mitondra fiara matanjaka, eo ny faniditsidinana atosiky ny toaka sy ny zava-mahadomelina, ao ny fahatokisan-tena tafahoatra noho ny fanjakazakana, na noho ny fiheverana ho tapi-pahaizana amin’ny familiana, tsy adino koa ireo fiara tsy manara-penitra… Lasa lakalaka ny fivezivezena, hifanena amin’ny jiolahy mpamandrika lalana sa ho sakanan’ny loza aterak’ireny olona mpivatravatra ireny izay tsy miraharaha ny sasany mirimorimo izay tsy izy toy ny azy irery ny lalana. Dia izay ve no hany safidy?
Diso ihany ireo mihevitra fa miavaka na amin’ny lafiny tsara na amin’ny lafiny ratsy izany ny mponina eto amin’ny Nosy, mitovy na hatraiza hatraiza tsy maintsy misy ihany no manivaka. Adidin’ny mpandamina ny fiainam-bahoaka no miaro ny filaminana amin’ny fifamoivoizana. Tsy ampy ny fepetra itandroana ny fandriampahalemana toy izay koa ny mikasika ny fizorana am-pilaminana eo amin’ny fifaneraserana. Rariny raha mipetraka ny fanontaniana hoe aiza ihany no ahatsapana ny fisian’ny fanjakana. Ny tany tan-dalàna tsy tonga ho azy amin’izao noho ny fiventiventesana izany fotsiny, raha tsy eo ny hery fitandroana miantraika amin’ny fanajana izany lalàna izany. Ny hery ve no tsy ampy? Mety misy fahamarinana izany, nefa koa mety ny fandrariana izay kely ananana no tsy tsara rafitra amin’ny tokony ho izy. Sao dia zavatra hafa no mahavariana tsy havitana ny adidy? Ny fitaovana mitory fandrosoana tonga eto daholo, nefa tsy arak’izany angamba ny fahavononana hiatrika ny herisetran’izany fitaovana vaovao izany. Ny fiara haingam-pandeha hatrany nefa tsy zakan’ny tsenan’ny lalana izany, lalana izay tsy mihatsara no tsy ampy fampilazana fampitandremana. Sarotra anefa izany. Raha isak’izao lavadavaka izao no voatery asiana takelaby fampitandremana dia karazany mamafy ho an’ny mpangalatra vy fa ho tomefy ny sisin-dalana manerana ny vazantany rehetra izao.

Léo Raz


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles