Nandratra olona indray ny Sprinter mpitatitra olona mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga any amin’iny lalam-pirenena faha-4 iny ny talata teo.
Noho ny fandehanana mafy sy ny tandrevaky ny mpampily no nahatonga ny loza voalohany. Raha hiditra ny fiolanana iray ao Morafeno, Ankazobe, ilay Sprinter dia tsy voafehin’ny mpamily ny fiara ka nilatsaka tany an-kady. Olona efatra no naratra mafy vokatr’izany. Potika ihany koa ilay fiara ka nananosarotra ny mponina izay nanao ny famonjena ny fakana ireo naratra. Nisy mantsy ireo olona nosokirina. Tonga nanampy ny mponina tamin’izany ny mpitandro ny filaminana ka ny fiaran’izy ireo no nitondrana ireo naratra ireo tany amin’ny tobim-pahasalamana. Ahiana mafy raha araka ny loharanom-baovao ny ain’ireto olona naratra ireto.
Mbola fiara Sprinter ihany no niharan-doza tao Ankazobe io andro io. Nifandona tamin’ny fiara be ilay fiara. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 40 taona nipetraka teo akaikin’ny mpamily no naratra mafy vokatr’izany.
Tiavina