Raha ny tazana teny amin’ny Hôtel Colbert Antaninarenina omaly, efa tonga eto an-dRenivohitra ireo Ampanjaka sy Tangalamena ary Raiamandreny ara-drazana maro manerana ny Nosy.
Adidy iray goavana hotontosain’izy ireo ao anatin’ny fankalazana ny Taom-baovao malagasy 2015 ny fitsofandrano ny Malagasy rehetra, raha ny fanazavana nomen’ny mpitantana ny Fitohasina sady mpikambana ao amin’ny Trano Kolotoraly malagasy. Nambaran’izy ireo fa : « ny asabotsy 21 marsa amin’ny 5 ora maraina eny amin’ny Trano Kolotoraly foibe, Ikianja Ambohimangakely sy eo anoloan’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo Analakely amin’ny 10 ora maraina no hanatanterahana ireo fitsofandrano ireo. Amin’ny taona ho avy, any amin’ny toeran-kafa indray ».
24 ireo fikambanana eto an-toerana sy any ivelany mikarakara ny hetsiky ny Taom-baovao malagasy 2015. Ho an-dry zareo ireto, ny zoma 20 marsa, ny fanokafana etsy amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo. Velatseho andraisan’ny foko 18 anjara. Amin’ny 3 ora tolakandro, fizarana arendrina, fiaingan’ny afo tsy maty ho eny Ikianja Ambohimangakely izay harehitra eny an-toerana amin’ny 6 ora hariva. Ny asabotsy 21 marsa, mitohy ny velatseho. 22 marsa, velatseho sy loabary an-dasy momba ny fomba malagasy, ao amin’ny lapan’ny Tanànan’Antananarivo.
HaRy Razafindrakoto