Efa miaiky ny fahasarotan’ny taon-dasa nizakan’ny vahoaka fahasahiranana ny Filohampirenena ny faha-28 desambra 2014, inona moa no firarian-tsoa afaka ambarany afa-tsy ny fahasamihafan’ity taona vaovao ity raha ampitahaina amin’ny taona nilaozana.
Sady mora no sarotra ny fanatanterahana izany. Mora satria efa lalina ny lavaka misy ny mponina ka izay kely hita miiratra dia efa tsapa avokoa, sarotra anefa fa tsy hisy izany kely izany raha mbola tsy miova toetra sy fanao ireo tompon’andraikitra samy hafa isaky ny ambaratonga rehetra avy any an-tampony ka hatrany am-paladiany. Raha dinihana avy amin’izay tazana nandritran’ny erin-taona anefa dia ahiana fa miankina amin’ny fahagagana izany. Sandry zatra nivonkona tsy nandray andraikitra sarotra antenaina hitsotra tampoka eo noho eo, ny tànana zatra nitsotra nandrairay kosa sarotra avonkona…
Ny fanovana olona hametrahana ny fitantanana ny sampana samy hafa ao anatin’ny fanjakana, fanovana izay andrandrain’ny maro, tsy hampiova firy raha mbola lasa vazaha misolo vazaha ihany no fenitra sy fomba fanjakazakana.Toa kabary fampideraderana ilay edena rehefa tanteraka ny fandrosoana no itarina fa tsy ny làlana feno tsilo mitaky ezaka sy hatsembohana no atao ambentin-dresaka. Mila fahasahiana ny fanentanana ny mponina hanefa ny anjarany eo amin’ny fampandrosona, tsy tojo izany tanjona izany raha tsy misikina daholo ny rehetra. Ny vahoaka anefa mihevitra fa efa ela no nanefa tamin’ny fihafiana sy ny fizakana fahasahiranana ny maro an’isa, raha mahatazana anefa eo andaniny ireo olom-bitsy sy ireo mpitondra misitraka am-piadanana toy ny tsy tonga saina ka tsy mahatsapa hatraiza ny fijalian’ny vahoaka. Efa hatramin’izay anie no nahenoana ny mpanao pôlitika nifandimby maneho ny alahelony noho ny fahitana ny fahoriana mianjady amin’ny mponina, nefa na mpitondra na mpanohitra samy tsy nahavita na inona na inona mba hanamaivanana ny fahasahiranana.
Tsy mandaitra intsony ny fampandrina adrisa na ny fampisotrona ronono an-tavy, asa mivaingana azo tsapain-tànana no hany andrasan’ny vahoaka mba ahafahana mitaky aminy faharetana ao anatin’ny fihafiana sy fahavononana hanao ezaka mandava-taona. Raha tsy resy lahatra ny olona dia tsy hisy fitsaharana ny fitiavan-tena samy mandeha samy mitady samy mamely. Iaraha mahalala anefa fa tsy mamokatra izany, nefa tsy hita ifanomezan-tsiny, vonjy aina manokana sisa an’ny tsirairay rehefa ny manodidina ny lapa ny toby sy ny tranom-pitondrana sisa no mahefa ny fanjakana.
Léo Raz