
Miara-miasa amin’ny radio Haja eto Antsirabe ny trano fiantohana Aro, amin’ny alalan’ilay fandaharana « Fant’Aro ». Nambaran’ny talem-paritry ny Aro, Ratolojanahary Bruno fa mandeha indroa isan-kerinandro ity fandaharana ity. Nisy ny fifaninanana nokarakaraina ho an’ny mpihaino, nandritra ny volana desambra 2014, miompana amin’ny fiainana andavanandro sy ny fahaiza-miaina, ny tontolo iainana, ny didy aman-dalàna, sns.
Nomarihiny fa ireo renim-pianakaviana no tena navitrika nandray anjara.
Feno 40 taona ny trano fiantohana Aro amin’ity 2015 ity. Haroso amin’ny volana aogositra ny fifaninanana « Fant’Aro ». Nanatrika ny fizarana ny loka 2014 ny solotena avy any amin’ny foibe Antananarivo.
Jeannot Ratsimbazafy