
Fandresena telo amin’ireo sokajin-taona ifaninanany (U13 ; U15 ; U17) azon’ny ekipan’ny AS St Michel Amparibe, teo amin’ny fanombohan’ny fifaninanana eo anivon’ny ligin’Analamanga, ny faran’ny herinandro lasa teo. Azo lazaina fa nioty ny vokatra tamin’ny fanolokoloana sy fanabeazana ireo ankizy eo aminy izany ny sekolin’ny Masindahy Misely., Resin-dry zalahy tamin’izany ny ekipan’ny Iarivo Football Club. Nomontsaniny, tamin’ny isa mavesatra 7 noho 0, ny U13. Tamin’ny isa 2 noho 0 kosa ny teo amin’ny U15 ary tamin’ny isa 2 noho 1 ny an’ny U17.
Raha tsiahivina, herintaona nitsanganan’ny ASSM, sokajy zandriny, izay tarihin-dramatoa, Raboanaly Emma, miaraka amin’Andriamiharinosy Augustin (Baovola) sy ny monpera Pierre Célestin. Nambaran’i Baovola fa zava-dehibe aminy ny fisian’ny fifaninanana tena izy, eo amin’ny ankizy. Miainga any amin’izy ireo ny fototra ahazoam-bokatra ary tena mampirisika ny kilonga ny fisiany.
Manomana mpandimby
Marihina fa tsirin-kevitra avy amin’i Baovola ny tokony hisian’ny fiadiana ny ho tompondaka eo amin’ny sokajy zandriny. «Rehefa misy ny fanomanana ireo ankizy, azo antoka ny fisian’ny mpilalao mpandimby eo amin’ny klioba 1ère division ka tsy hisy intsony ny fakana mpilalao etsy sy eroa», hoy izy.
Raha ho an’ity ekipan’ny ASSM ity manokana, mpianatra ao amin’ny kolejy avokoa ireo mpilalao mandrafitra azy ary manampy betsaka ny klioba ny raiamandreny. «Miorim-paka, hanasoa olona», izay rahateo ny, teny filamatry ny sekoly. Intelo isan-kerinandro ny fanazarantena ary takina amin’ny mpilalao ny fahaizana fianarana fa tsy ny baolina ihany. Tarigetran’ny ASSM ny hanao fihaonana any ampitan-dranomasina.
Faniriana izany mba hitohizan’ny fifaninanana ho an’ny ankizy toy izao fa tsy handalo fotsiny. Tokony ho tsapan’ny ligy sy ny federasiona fa ny fifaninanana toy izao no lalana mitondra any amin’ny fahombiazana.
Tompondaka