Hanokana vola mitentina 197,8 tapitrisa dolara ny Unicef eto amintsika ho an’ny taona 2015-2019. Vola manokan’ny Unicef ny 56,8 tapitrisa dolara fa avy amin’ny vondrona hafa mbola hotadiavina kosa, ny 14 tapitrisa dolara ambiny, araka ny fanambarana azo, omaly. Hahetsika hanatanterahana ireo asa hitondra tombontsoa ho an’ny ankizy sy ny fianakaviana sahirana ny vola. Hampiasana hanatsarana ny fahasalamana ho an’ny vehivavy mitondra vohoka, ny kilonga madinika ny fanohanana entin’ny Unicef. Sehatra iandraiketany betsaka ny fampihenana ny tahan’ny ankizy tsy ampy sakafo, tsy tafiditra an-dakilasy ary ny fiarovana ny zaza amin’ny herisetra samihafa. Firenena fahefatra maneran-tany manana taha ambony amin’ny tsy fanjarian-tsakafo isika, miseho amin’ny ankizy, izay mahatratra 47% isika. 44 000 koa ny zaza (latsaky ny 5 taona) maty isan-taona vokatry ny aretina samihafa azo sorohina amin’ny fanaovam-baksiny.
« Anisan’ny niharan’ny voka-dratsin’ny haintany sy ny tondradrano izay miseho amin’izao fotoana izao ny ankizy ka ilaina ny hetsika mitondra vokatra mivaingana », hoy ny solontenan’ny Unicef, Elke Wisch.
Natao sonia ny alatsinainy teo ny drafitrasa hotanterahina ao anatin’ny dimy taona eo amin’ny solontenan’ny Unicef sy ny minisitry ny Toekarena, Raveloharison Herilanto.
Vonjy