Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Antohomadinika sy Ambodivoanjo : tokantrano 141 nahazo sakafo masaka

$
0
0
Traboina 18 mars

 Nifindra toerana eo amin’ny tany malalaka manakaiky ny EPP eo Antanimena I ny traboina 51 tafo amin’ireo 141 manana trano dibo-drano ao amin’ny fokontany Antohomadinika Afovoany. Iray volana latsaka izy ireo no nipetraka teo ary tranolay avy amin’ny fokontany III G Hangar no ampiasaina ka afaka mandray olona 141, ireo tsy tafiditra niverina eny amin’ny trano na dia mbola feno rano aza. Nandritra ny fotoana rehetra nipetrahany teo, tsy mbola nahazo fanampiana mihitsy izy 141. Efa nampahafantarina ny mpiandraikitra isan-tsokajiny ny fisian’ny traboina monina eo. Vonona ny hifindra eny Andohatapenaka izy ireo saingy nanambara ny mpiandraikitra ny boriborintany I fa miandry ny fandaminana aloha hatreto.

Ho fitsinjovana azy ireo manokana, nizara sakafo masaka 700 ny fikambanana Fitia omaly antoandro. Vary sy laoka no nozaraina, miampy koba ho an’ny ankizy madinika. Mbola nahazo yaorta sy biskoy avy amin’ny malala tanana ka finaritra ny kilonga madinika. « Hetsika fahasivy nataon’ny fikambanana izao hatramin’ny niandohan’ny fisian’ny traboina maro eto Antananarivo, ary mbola hitohy hatramin’ny faran’ny herinandro », hoy ny fanazavan’ny mpitondra teny, Razoamiadana Victorine, teny Antanimena. Nitohy teny amin’ny fokontany Ambodivoanjo ny fizarana sakafo ka anjara sakafo 900 no notsinjaraina omaly ho an’ny fokontany roa.

Vonjy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles