
Atahorana ny ain’ilay jiolahy nangalatra môtô niharan’ny fitsaram-bahoaka tao amin’ny fokontany Morafeno Toamasina, ny herinandro teo. Tratran’ny fokonolona teo am-panosehana ilay môtô izy…
Niharan’ny vono sy daroka noho ny hatezeran’ny olona ity jiolahy vao 20 taona monja ity. Araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana, variana nisotrosotro niaraka tamin’ny namany ilay tompona môtô ka tsy nihambahamba ilay jiolahy nanosika ny môtô-ny nijanona teo ivelan’ny trano. Tsikaritry ny fokonolona anefa izany ka raikitra ny fifanenjehana izay niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka.
Nalaky tonga ny polisy fa raha tsy izany efa nodoran’ny olona teo ity jiolahy ity. Ny olona rahateo efa leo amin’ny firongatry ny asan-jiolahy ao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana.
Miady amin’ny fahafatesana ao amin’ny Hopitalibe Toamasina izy.
Fa môtô telo hafa ihany koa lasan’ny jiolahy teo ivelan’ny trano fisakafoana lehibe iray, ny asabotsy teo. Nandritra ny lanonana nokarakarain’ny Praiminisitra lefitra teo aloh nisahana ny ekonomia, Botozaza Pierrot.
Tsy vitan’izay fa notafihin’ny jiolahy hatramin’ny mpivarotra gazety ihany koa, ny zoma hariva teo. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany, ny vola vidina gazety, finday ary firavaka volamena.
Na eo aza ny ezaka vitan’ny mpitandro filaminana amin’ny fanenjehana ireo jiolahy, tsikaritra fa vao mainka mihamirongatra hatrany izany ary saika manana fitaovam-piadiana mahery vaika avokoa ny ankamaroan’ireo olon-dratsy.
J.C sy Sajo
Cet article Toamasina : miady amin’ny fahafatesana ilay jiolahy niharan’ny fitsaram-bahoaka est apparu en premier sur NewsMada.