
Vaky vava amin’ny fombam-pitantanana ny firenena amin’izao fotoana izao ny Jeneraly Camille Vital ary nilaza avy hatrany fa fitondrana hafahafa ity tafapetraka ity. “Mifanohitra amin’ny tokony ho izy hatrany ny fanapahan-kevitra raisin’ireo manampahefana ambony ka hanapotika ny firenena sy ny vahoaka nanandratra azy”, hoy izy.
Noraisiny ho porofon’ny fanambarany ny antso avo nataon’ny ambaratongam-pitondrana rehetra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, hilana vonjy ho an’ny Malagasy tra-boina nefa nolavina ny fanampiana nentin’ny mpiray firenena teto, vao andro vitsy monja izay.
Tsy baikoin’ny tombontsoam-bahoaka
“Nampihintsana ny tale jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana tamin’ny toerany, ny fisakanany ny fakam-bola tsy nanara-dalàna saika hataon’ny minisitra iray tao amin’ny kitapom-bolam-panjakana”, hoy ny Jly Camille Vital. “Ventesina tsy an-kiato anefa ny firenena tan-dalàna eto amintsika. Mety hahitana loza ihany koa atsy ho atsy, raha zohina amin’io, ny fanenjehana sy fitorohana ny fandikan-dalàna isan-karazany.Tsy ivakian’ny Fanjakana loha ny fitakiana mirongatra etsy sy eroa amin’izao fotoana izao fa ilaozany mivezivezy sy miedinedina fotsiny”, hoy ihany ity Praiminisitra teo aloha ity.
Naneho ny fanahiany amin’ny hironan’ny firenena mankany amin’ny jadona sy ny fitondran’olon-tokana izy tao anatin’ny resadresaka nifanaovana taminy. “Manomboka taratra ny fanilihana olona ankehitriny, matoa efa atao tompon-trano mihono amin’izay atao eto ny mpitondra teo aloha toa anay izao”, hoy ihany izy. Mandeha ihany aloha no fahitan’ny Jly Camille Vital ny fampihavanam-pirenena atao any amin’ny faritra any saingy atahorany hikatso ny aty an-tampony noho ny fihetsiky ny mpitondra amin’ireo izay tsy mitovy hevitra aminy.
Tsy hitan’io kandidà ho filoham-pirenena io ny fandraisana ny tian’ny Fitondrana hitantanana ny firenena satria fifanoherana anatin’ny samy mpitondra sy fiarovana ny tokony ho melohina no betsaka.
Manou
Cet article Toe-draharaham-pirenena ankehitriny : “Fitondrana « hafahafa » ity”, hoy ny Jly Camille Vital est apparu en premier sur NewsMada.