
Niasa mafy mihitsy tato ho ato ny mpamono afo. Tsy nisy tany ipetrahana namonjy ireo tra-boina difotry ny rano na nirodanan’ny ranon-tany na ny trano. Nanome tànana azy ireo hatramin’ny vondron-tafika mpamonjy voina. Tsy nikely soroka koa ireo mpilatsaka an-tsitrapon’ny Vokovoko mena, nanao izay ho afany nanamaivana izay azo nohamaivanina tamin’ireo tsy manan-kialofana tsy fidiny. Tsy hodokafana eto ireo vahiny mpiara-miombon’antoka. Na izany aza, ampirisihina sy ankasitrahana izy ireny fa izany no trano atsimo sy avaratra ka ny trano lay kely ananana no ialofana e !
Tsy dia izy ireo loatra anefa no iantefan’ny lohatenintsika anio, fa ity famonoan’afo tsy mandeha amin’izay laoniny eran’ny tanàna ity. Mandrimandry ny afom-pitokonana atsy, midedaka ny aroa. Nanahirana, ohatra, ny afom-panoherana ny fialana amin’ny tanàna ambany vato mandondona eny Avaratr’Ankatso. Tra-boina manan-katao rahateo no mipetraka eny ka sarotra atao ho tsy manan-kialofana. Ny fomba hanapoahana ilay vatobe mikorisa miadana rahateo, tsy nazavazava ! Ka hirefotra ihany sa tsia ny vatoben’Avaratr’Ankatso rahampitso ? Namono afo ny tompon’andraikitra fa toa…
Toy ny manondraka menaka anaty afo koa ny trangan-javatra sasantsasany, araka ny fitenim-bazaha. Boka mihalo-poza ny raharaha e ! Mamono afo tsy mahafaty io izao ka asa raha hiverenan’ny lelafony. Nitokona nitaky ny fampanantenana azy ireo mpiraki-draharahan’ny Fitsarana. Nihazakazahana ny namono ny afo. Izay tsy mangataka marina no tsy mahazo. Mailo anefa ry zareo ka nanangana vaomiera hanara-maso ny fanatanterahana ny fitakiany. Noho izany, hiverina hiasa izy ireo amin’ny herinandro ambony.
Saingy indraindray koa mody maina toy ny tao amin’ny Tahirimbolam-panjakana. Asa na ho faty ihany ny afo aloha fa voapetraka ny Tale jeneraly vaovao na hitohy aza ny fitokonana. Saingy raha mamono afo tsy nahafaty ny mpamono afo mety… Toy ny vanja milevina ihany io raharaha io ka ahiana hipoaka amin’ny ora tsy ampoizina. Tsy misy mahay mandihy toy ny akoholahy, hono, fa raha manitsa-tsahafa solafaka.
Re siosio fa ho avy koa ny fitokonan’ny ao amin’ny fisafoan-draharahan’ny minisiteran’ny Asa amin’ny herinandro. Tsy vitan’ny edinedina sy ny fizahozahoana ireny afo mirehitra ireny fa mila vahaolana maharitra. Sa ny mpamono afo no tsy mahavoa na tsy ny famonoana afo no tokony hatao ? Mbola misy afo hafa mitsoriaka koa eny Ambohitsaina eny. Tsy ho voatanisa eto ireo karazan’afo handrotika ity Fitondrana ity. Aiza izay vahaolana tena maharitra avy amin’ny Fitondrana? Tsy vitan-kabary io fa ndrao mamono afo tsy nahafaty ka…
Afon-dolo afon’angatra poa poa hoy ny hafa. Enga anie tsy ho tonga aty amin’ny fampahalalam-baovao ny raharaha. Nafanafana ratsy ihany mantsy izy io tao ho ao na teny an-dapa na tany amin’ny faritra. Mbola be koa ireo haino aman-jery nakatona na nahantona no tsy afaka miasa. Aiza ilay fampanantenana ny fahalalahana ao anatin’ny fanarahan-dalàna? Fa taratry ny fanovana koa mantsy ny fahamaroana satria ny hevitry ny maro no mahataka-davitra. Afo ratsy saro-bonoina io raha mirehitra eo ka aleo misoroka dieny tsy mbola forehitra ny tanàna. Ndrao … Fa ny hamisavisana ny ratsy, hono, hiavian’ny soa.
Zoelson Randrianindrina
Cet article Mamono afo tsy nahafaty ka… est apparu en premier sur NewsMada.