
Tsy voafehy intsony ! Saron’ny polisy ny talata teo teny Tongarivo Tanjombato sy Antohomadinika ireo andian’olona mpanao trafikan-drongony. Lehilahy iray koa nahatrarana rongony milanja 62 kg tany Antanandava Toamasina…
Loharanom-baovao iray no nahafantaran’ny polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina Anosy fa misy andian’olona mivarotra rongony eny Antohomadinika sy Tongarivo Tanjombato hatreny Antanetibe Itaosy tamin’io fotoana io. Olona telo no indray voasambotra tamin’io fotoana io. Nandritra ny fisavana nataon’ny polisy, rongony tanaty gony maromaro no hita tao an-tranon’ireo voarohirohy, raha ny tatitra avy amin’ny polisy. Nilaza ireo voarohirohy fa avy any Betroka ireto rongony ireto izay vidina 450 000 Ar ny iray gony.
Rongony 62 kg sy 660 litatra tratra tao Toamasina
Nahazo loharanom-baovao koa ny zandary avy ao amin’ny borigady Gallieni Tanamakoa tamin’io fotoana io fa misy olona manao trafikana gazoala ao Antanandava. Nidina an-toerana avy hatrany ny zandary nanao ny fisavana, saingy rongony milanja 62 kg no hita tao an-tranon’ny raim-pianakaviana iray. Niaiky ny heloka ilay raim-pianakaviana fa azy ilay rongony.
Fa saron’ny polisin’ny Fip, afakomaly teo tao Tanamakoa Toamasina, ny toaka gasy 660 litatra. Natao tanaty bidao amin’ny 20 litatra maromaro ireto toaka gasy ireto. Natao tsara fonosana tanaty baoritra avokoa ny bidao feno toaka ary nokasaina haondrana aty an-drenivohitra.
Misoko mangina hatrany ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina tato ho ato.
Jean Claude sy Sajo
Cet article Tongarivo Tanjombato – Antohomadinika : manjaka ny mpanao trafikan-drongony est apparu en premier sur NewsMada.