Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Zavamaniry « dia» fihinamboa : karazany maro saingy efa tandindomin-doza

$
0
0

Ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra ny mpianatra izao. Afaka manararaotra maka rivotra madio any ambanivohitra sy any an’ala izay afaka manao izany avy aty an-tanàn-dehibe feno rivotra maloto. Na tsy mpianatra aza moa fa ny ray aman-dreny sasatry ny asa ihany koa maninona ? Mba miara-mianoka ilay fiarahan’ ny fianakaviana amin’izay. Efa nandramana ve fa tena mahita fahafinaretana tsy misy toy izany rehefa miaraka mianala na mikarenjy eny an-tampon-tanety eny ka mahita voankazo masaka avy amin’ny zavamaniry « dia » ?

Tsy vitsy amin’ireny zavamaniry ireny, manome voa fihinana, no efa fantatsika sady hanintsika. Araka ny fanadihadihana nataon’ny Missouri Botanical Garden, mpikaroka sy mpiaro ny zavamaniry, misy amin’izy ireny no nampidirina avy any ivelany ka lasa valovotaka toy ny goavitsinahy (Psidium cattleyanum), ny madiro (Tamarindus indica), ny mokonazy (Ziziphus mauritiana), ny tsiperifery (Piper pachyphyllum, Piper pyrifolium).  Fa misy koa ireo tsy hita raha tsy eto Madagasikara, tahaka ny tapia (Uapaca bojeri), ny reniala na baobab (Adansonia), ny akoanala (Poupartia silvatica), ny hazombarika (Poupartia minor). Fanao ihany koa ilay manandrankandrana, saingy mila fantarina tsara fa tsy izay hita rehetra dia azo andramana avokoa. Aoka mihitsy tsy hotazana izay voararan’ny olon-dehibe sy ny tompon-tany. Sady efa tandindomin-doza ireny zavamaniry fihinamboa ireny, ankehitriny, noho ny fiotazana sy fitrandrahana azy tsy am-piheverana.  Eo koa ny faharavan’ny toerana misy azy vokatry ny doro ala sy fakàna azy hanaovana fanaka. Efa  fandrentsika  matetika ilay  hoe : « ataovy toy ny voankazo an’ala : ny mamy atelemo, ny mangidy aloavy ». Sao sanatria hivadika ho loza ilay fahafinaretana nokatsahina amin’izao andro fialan-tsasatra izao.

R.Mathieu


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Trending Articles