
Niveri-maina ireo nanan-draharaha teny. Nikatona ny Fitsarana ary tsy nisy raharaha vanona. Nanomboka nanao ny fitokonam-be, omaly, teny Anosy ireo mpiraki-draharahan’ny Fitsarana notarihin’ny sendikàn’izy ireo. Tsy nisy raharaham-pitsarana nanjary fa miankina amin’izy ireo avokoa ny fahavitan’izany rehetra, araka ny fitakian’izy ireo.
Tsy nohenoin’ny Fitondrana ny fitakian’izy ireo ny tambin-karama tokony ho azy ireo amin’ny raharaham-pitsarana efa voatsara, mitaha amin’ny an’ny mpitsara. Nampanantenaina rahateo izy ireo fa homena ny zon’ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana rehefa miverina amin’ny laoniny ny tany tan-dalàna.
Tsy tanteraka anefa izany, raha ny fanazavana nataon’ny sekretera jeneralin’ny sendikà, Randriamaro Alain tamin’ny mpanao gazety. Hitohy, noho izany, ny fitokonam-be mandra-pahitana ny marimaritra iraisana. Valin-teny azon’izy ireo tamin’ny mpitondra ny tsy fahampian’ny tetibola hanatanterahana izany. « Nahoana ny sasany nahazo fa tsy izahay ? », hoy ny fanontanian’izy ireo. Ankoatra ny tambin-karama, tsy ankasitrahan’izy ireo koa ny fampidirana olona tsy niofana ny asan’ny mpiraki-draharaha eo amin’ny asan’izy ireo. Efa nandefa taratasy fitoriana ny amin’izany ny sendikà saingy tsy mbola nisy valiny izany hatramin’izao.
Nitaraina ireo nanan-draharaha
Ny lehibe no miady dia ny ankizy no voatorotoro. Ny fitondrana sy ny mpirakidraharaha no tsy mifanaraka dia ny manan-draharaha no sahirana teny amin’ny Fitsarana. Nitaraina ireo nanan-draharaha teny noho ny fivezivezena. Tsy nisy rahateo ny fampandehanan-draharaha vonjimaika. Naverina any amin’ny toerana nitanana azy, noho izany, ireo efa saika hiakatra fampanoavana na vita famotorana tany amin’ny mpitandro filaminana.
Ireo notanana vonjimaika tany am-ponjan’Antanimora sy Tsiafahy no tena voa mafy, raha nanantena ny ho afaka madiodio, omaly. Eo am-pelatanan’ny Fitondrana mahita vola anaovana fihetsiketsehana lafo vidy eraky ny lafivalon’ny Nosy izany izao ny baolina, ankoatra ny fitadiavana vola hividianana fiara tsy mataho-dalana ho an’ny depiote sy ny fiatrehana ireo tra-boina.
Zo. Ra.
Cet article Mpiraki-draharahan’ny Fitsarana : raikitra ny fitokonam-be, nikatona ny Fitsarana est apparu en premier sur NewsMada.