Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70828

Halatra siramamy Sucoma : olona 9 naiditra am-ponja, miaramila ny 2

$
0
0
sucoma 10 mars

Niakatra fampanoavana tany Morondava ny zoma teo ny raharaha fangalarana siramamy tao amin’ny orinasa Sucoma. Olona sivy niatrika ny fitsarana tamin’izany, ka naiditra am-ponja vonjimaika avokoa. Miaramila ny roa amin’ireo naiditra am-ponja ireo. Araka ny fantatra, mbola mitohy ny fanadihadiana ireo mpitandro filaminana hafa mety ho tafiditra amin’ny halatra siramamy.

Ireo olona voalaza etsy ambony ireo, kamiao efa roa no sarona tamin’ity halatra ity. Kamiao an’ny miaramila izy ireo, izay tratra nitondrana siramamy halatra. Efa nisy tamin’ireo, tany Antsirabe vao sarona. Araka ny tatitry ny zandarimaria ihany, misy kamiao roa mitondra siramamy avy any Morondava ka ny iray, mitatitra 30 taonina ary ny faharoa, 32 taonina. Arahin’ny zandary ireo kamiao ireo, ary ho hita eo ny tohin’ny raharaha momba izany, raha halatra na ara-dalàna.

Yves S.

Cet article Halatra siramamy Sucoma : olona 9 naiditra am-ponja, miaramila ny 2 est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70828

Latest Images

Trending Articles