
May volon-tratra. Izany no azo ilazana ny manjo ny mpitondra ankehitriny. Tsy maintsy enjehina daholo i Babay sy i Lohavohitra raha tiana ny toerana. Fa ny toerana mantsy mitaky andraikitra, raha voninahitra no nahamaika. Mitokona ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana, mitokona koa ny ao amin’ny fananan-tany. Ny fampihavanam-pirenena tsy maintsy ilofosana. Ny tra-boina manara-damba ary ny mpanamory fiarabe mpitatitra entana koa manao ny ataony. Ny ronono mandroatra sa ny salaka tapaka sa ny rafozana tonga no hovonjena ?
Tsy hilaza isika hoe tapi-dalan-kaleha fa rehefa mitondra dia mahita vahaolana satria tokony ho efa nibanjin-davitra. Ny Fitondrana manana vina rehetra dia mahavaha izay mety ho olana eny am-pandehanana fa tsy hanao afo am-bilanikely isak’izay misy fahasarotan-javatra. Toa mitombina ihany ilay fanakianan’ny mpanao politika sasany fa tsy nanana vina tokoa io Fitondrana io. Eny am-panidinana vao mamoron-draharaha. Ka ny salaka tapaka sa ny rafozana tonga sa ny ronono mandroatra no hovonjena ?
Manavanana ny mpanao politika eto amintsika kosa rehefa nahazo Fitondrana ny manilika ny fahalemena any amin’ny hafa. Mandositra ny zava-misy no atao ka rehefa misy endrika fitakiana ataona vondron’olona na sendikà dia salorana loko politika sy lazaina ho misy mpanao politika ambadika milalao foana. Tsy azo lavina fa efa misy mpanao politika mikendrikendry hisavika ireny hetsika ireny. Fomba nataon’ny teo aloha rehetra sy ny ankehitriny io ka asa raha hahazaka olona na tsia. Fitondrana tsy sahy mandray andraikitra sy tia kitsapatsapa no nisy ka ny inona no hovonjena, ny salaka tapaka sa ny rafozana tonga sa ny ronono mandroatra ?
Tsy mpanome lesona akory sanatria na natao hanome vahaolana ka hovaliana amin’ny hoe “manaova raha mahavita”. Saingy toa misy vahaolana efa nodradrain’ny rehetra ihany angamba any ho any ? Anisan’izany ny fanehoan-kevitra tsotsotra toy ny hoe: “Avereno sy ampodio eto an-tanindrazana tsy misy hatak’andro ireo volabe vidina harem-pirenena nahondrana an-tsokosoko « saingy hita maso » tany ivelany. Tsy ilàna volan’ny mpampindram-bola mbola haloa ny famahana krizy fa efa manana isika”. « Tsy ny vola no olana fa ny finiavana sy ny olona », hoy ny fiteny any Roandà izay vao avy ravan’ny ady nefa efa lasa lavitra amin’ny fandrosoana. Ka iza no hovonjena, ny salaka tapaka sa ny rafozana tonga sa ny ronono mandroatra ?
Zoelson Randrianindrina
Cet article Salaka tapaka sa rafozana tonga ? est apparu en premier sur NewsMada.