Fahasorenana efa nizarana tsy fidiny ity fanapahana ny erinatra atoa hoe “delestazy” ity, izay ampiharina mba anaovana fitsitsina. Iza moa no mbola tsy ho falifaly rehefa niseho ny fanafoanana ny delestazy ho fanatanterahana ny fanomeza-toky nataon’ny Filoha Rajaonarimampianina Hery fony izy mpilatsaka tamin’ny fifidianana. Kanjo toa omeko tsy omeko ny fisehon-javatra izao, niverina matetitetika indray ilay fomba ratsy. Ilay fahasorenana teo aloha niitatra lasa disadisa lalina miteraka hatezerana mivadika ho fankahalàna mihitsy aza indraindray. Fa inona loatra aza no manjoa? Nilaza moa ny Filoha tamin’izy nitetitety ireo faritra samihafa nitrangan-doza fa karazana tora-bato avy any an-danitra ihany izao sedra atrehina izao, izany moa dia tsy afaka heverina ho karazan-datsa, aiza dia olobe toa azy ve dia handatsa tena, ny tenany koa dia mizaka ny vesatra fa tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitondrana vonjy ho an’ny traboina no sady lohalaharana tompon’antoka amin’ny fanarenana ny simba. Tsy mandeha irery ny fahasahiranana ity indray fa manampy trotraka eo amin’ny adidy samihafa miavosa Ingahilehibe. Tsy afaka hidify moa izy, ny teny nataony no mamatotra azy izao. Voafitaka ny fanomeza-toky napetrany tamin’ireo tompon’andraikitra nisolo ireo voaraoka noho ny tsy fahombiazany ve, sa ny Jirama mihitsy no efa mitongilahila ka tsy avotra raha tsy anaovana fitsitsina toy ny fanaovana “point mort” rehefa mitrondra fiara?
Tsy mandeha irery anefa io trangana fahatezeran’ny olona io noho izany, etsy sy eroa maro ireo disadisa mitady handoro. Handoro inona moa? Samy manana ny valin’izany fanontaniana izany any am-pony any. Mbola mahavaivay loatra ao an-tsaina izay fotoan-tsarotra nandalovana nandritra ny tetezamita, izay mbola mamirifiry ny takaitra navelany. Mampisalasala ny maro sao sanatria noho ny fahaleoana ny fiankinana amin’ny hazo boboka no maniraka hiantsapy any amin’ny hazo tsy fantatra mety ho feno lay na maniry tsilo. Very hevitra ny olona, velona ahiahy koa mahita ireto korontandrontana manodidina, saotra ny safidy handry fotsy sa hitsako taolana mety tsy ho telona ka ho kenda fanindroany indray. Injany efa heno mangina ny fikatro-dohan’ireo mpanolotsaina sy ngetroka ao an-dapa mikaroka izao lainga sy marina rehetra izao hanaovana fanazavana ity fiverenan’ny delestazy ity. Maizina no vokatra amin’ny fanapahana ny jiro, aiza no hietezan’ny fisiana fanazavana ny maizina iniana atao.
Léo Raz
Cet article Resaky ny mpitsimpona akotry : vay kely lasa mikiky toy ny omamiadana est apparu en premier sur NewsMada.