
Mba ho fitsinjovana ireo mpianatra ao amin’ny kilasy fahadimy, ao amin’ny EPP Tongarivo Tanjombato, amin’ny fanalana fanadinana CEPE, nitondra fanohanana sy fanampiana ho azy ireo, ny ray aman-drenin’ny olon-tsotra tsara sitrapo, avy amin’iny faritra iny. Hampanaovina “cours” maimaimpoana ireo mpianatra.
Hatao isan-kariva ny fampianarana mandra-pahatonga ny fanadinana. Manampy amin’ny fampitaovana ny sekoly ny malala-tanana. Anisan’izany Ratsivahiny Andry mivady, nanolotra fitaovana toy ny “stylo” sy “cahier” ary tsaoka miaraka amin’ny “imprimante”. Hiantsorohan’izy ireo avokoa ny lany rehetra amin’izao fanampiana ny mpianatra hanala fanadinana izao. Nandray sy nisaotra ireto malala-tanana ireto ny talen-tsekoly, Ramanantselonina Ravelosaona.
Raha tsiahivina, noho ny fisian’ireo traboina ao amin’ny EPP Tongarivo ny antony nanaovana izao tolo-tanana izao. Mahatsapa ireo ray aman-dreny sy ny mpampianatra fa tsy ho tratra mihitsy ny fandaharam-potoana noho izao zava-misy eto amin’ny firenena izao ka tena ilaina ny fampianarana ivelany toy izao.
Tatiana A
Cet article EPP Tongarivo Tanjombato : notsimbinina ny kilasy 7 ème est apparu en premier sur NewsMada.