Tsy hita itarainana intsony ny fitombon’ny fahasahiranana ateraky ny fisondrontan’ny vidim-piainana. Itokona ka idongy tsy itaingina taxi-be na tsy ampiasa jiro avy amina herin’aratra dia ny tena indray no taraiky ary ivarina any amin’ny fihemoran’ ny toe-piainana. Akory atao, hoy ny maro ? Iza moa no tsy haniry fanatsarana ny toe-piainany : eritreritra no hany manidintsidina fa ny enti-manana no tsy maharaka. Tsy misy ny fitombon’ny vola miditra nefa ny vidin-javatra misondrotra isan’andro. Teo moa dia nangarangarana ny fampisondrotana ny saran-dàlana saika ho takin’ny mpitatitra. Tsy manarangarana fotsiny fa efa nambara mihitsy ny fisondrotana miantaona ny vidin’ny herin’ aratra. Tapi-dala-kaleha ny vahoaka madinika. Tsy misy irika intsony ny anaovana fitsitsina eo amin’ny fandaminany ny teti-bola, tsy afaka anao fahagagana efa dila ny fetra ahafahana animbihana ny kely tsy ampy. Ny sakafo efa tsy mahavoky ve no ferana bebe kokoa, sa ny trano ipetrahana tsy zarizary no andeferana ka andeha hifindra monina hitady fialofana izay vao miha manalavitra an’ity fanaraha-penitra ventimbetesina an-kabary ity ?
Mitaky faharetana amin’ny vahoaka ny fitondrana, mampanantena fa raha vao misokatra ny làlam-bola avy any ivelany dia atao izay mety. Tonga izao io no heverina ho “mana” io, miandry na tsy feno fanantenana aza ny mponina mikasika ny fiantraikan’ny vokatra ateraky ny fampiasana an’izany vola izany mba ahafahan’ny vahoaka ahita fivoarana eo amin’ny andavan’andro isaky ny tokantrano.
Manahy ny maro fa fidibadibana no hiseho voalohany, matahotra ny olona fa sao fientanentanana na mpanana taitaitra sendra-na harena mitobaka no tazana indray. Mifanipaka ny fiheverana ao anatin’ny lohan’ireny taitaitra ireny, eo ilay fiheverany fa azy io vola io ka afaka anaovany an’izao sitrapo rehetra izao, etsy andaniny anefa tsy manana fitsitsina mihitsy fa miazakazaka amina fikoakoahana toy amin’ny fananaraotana tantely vaky izay fantatra fa tsy an’ny tena. Lany ny mamy, very anjara ny vahoaka, mpanjifa voageja hividy ambonin’izay takatra.
Léo Raz