Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70425

Rugby à VII vehivavy Iray vondrona amin’i Rosia sy Samoa ny Makis

$
0
0
rugby2106

Nanainga, omaly, ny Makis de Madagascar, sokajy vehivavy, ary nihazo an’i Dublin. Hiatrika ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny “Lalao Olympika” (JO  2016), amin’ny rugby lalaovina olona 7  izy ireo. Fihaonana tanterahina ny asabotsy 25 sy ny alahady 26 jona ho avy izao. Ao anatin’ny vondrona maozatra ny misy ny Makis satria miaraka amin’i Samoa sy Rosia ary Zimbaboe. Firenena 12 no miatrika ity fihaonana ity ka efatra ny avy aty Afrika : i Madagasikara, Tonizia ary Zimbaboe sy Samoa.

Nozaraina ao anaty vondrona 4  izy ireo ka miakatra amin’ny ampahefa-dalana miatrika ny “cup” ireo roa voalohany isaky ny sokajy. Mifaninana miady ny “plate” kosa ireo ekipa tsy tafita.

Tafita  amin’ny “Lalao Olympika” ny ekipa voalohany amin’ny “cup”. Marihina fa ankoatra izay, hanana ny lanjany ity fihaonana ity satria tsy miatrika ny fifanintsanana intsony ireo ekipa telo voalohany fa tafita amin’ny lalao Olympika 2020 avy hatrany.

Tanjon’ny Makis de Madagascar amin’ity ny ho tafiditra ao anatin’ireo ekipa 4 voalohany.

12 mirahavavy ny mandrafitra ny Makis de Madagascar, avy amin’ny klioban’ny 3FB, sy FTFA Antohomadinika ary JSM Mahamasina, miampy ny SC Besarety.

Mialoha ny niaingany, naka tsodrano  tamin’ny minisitry ny Fanatanjahantena ny Makis de Madagascar. Tamin’izany no nampirisihin’ny minisitra Andriamosarisoa Jean Anicet azy ireo, tsy hihemotra fa hiady ho voninahitry ny firenena. Nanolotra lelavola 2 tapitrisa Ar sy fanamiana ho an’ireo mpilalao ny tenany.

 Tompondaka

Ireo mandrafitra ny delegasiona malagasy :

Filoha hitarika ny ekipa : Antsoniandro (tale teknika nasionaly)

Mpanazatra : Randrianarison Eric

Mpitsabo : Dr Bruno

Mpilalao : Tantely, Tsiky, Sarindra, Sophie, Dinah, Felana, Ando, Laurence, Patricia, Mialy, Claudia, Nandrianina.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70425

Trending Articles