Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70763

Volan’ny ankizy : « Arovy izahay, andrin’ny firenena rahampitso », hoy ny ankizin’ny PFSCE

$
0
0

Nafana, narevaka, maro loko ny kianjan’Andohalo, ny asabotsy tontolo andro teo. Andro nanamarihan’ny Plateforme de la société civile pour l’enfance (PFSCE) ny fankalazana ny volana jona, volan’ny ankizy.

Ankizy sy tanora anjatony, avy amin’ireo fikambanana sy fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG) mpisehatra momba ny fiarovana ny zon’ny ankizy, mivondrona ao anatin’ny PFSCE no nanafana ny fotoana. Tamin’ny alalan’ny hira, dihy, sketch, slam, teatra, tononkalo, hosodoko… no nanehoan’izy ireo ny lohahevitra nanompanana izao fankalazana izao : « Arovy izahay, andrin’ny firenena rahampitso ».

Nisy koa ny tranoheva nampahafantaran’ireo fikambanana sy ONG samihafa mpikambana ao anatin’ny PFSCE ny asa sy ny andraikitra sahanin’izy ireo avy amin’ny fikolokoloana sy fanabeazana ireo ankizy. Andraikitra izay raha bangoina dia mifototra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy.

M.R.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70763

Trending Articles