Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70793

Sokajy «C» : ho gidragidra ny lalaon’i Alemaina sy Irlande

$
0
0
sokajy2106

Vondrona roa no indray hiditra an-tsehatra, amin’ity andro talata ity. Hifanehatra amin’i Okrainina ry zareo Polonina, ho an’ny sokajy «C». Heverin’ny rehetra fa fihaonana tsy hiady satria efa mangoron-damba Okrainina ary mety tsy hivaky loha amin’ity fihaonana ity intsony. Manana isa 4 ankehitriny ny Poloney, ary mihevitra ny haka ny isa 3 indray hiandrandrany ny laharana voalohany.

Gidragidra kosa ny an’i Alemaina sy Irande Avaratra, ho an’ity vondrona ity ihany. Hiendrika famaranana satria mifanakaiky ny isa. Manana isa 4 ry Rainiboto ary isa 3 ny Irlande. Na ambony amin’ny filaharana eo amin’ny Fifa aza ny Alemà, ekipa tsy azo hamaivanina ihany koa ry zareo Irlande Avaratra.

Ankoatra izay,  hifampitana amin’i Torkia i Tsekoslovakia, ho an’ny vondrona “D”. Ry zareo Tseky, manana isa 1 ary ny Tiorka, laharana fahefatra tsy mbola nitoko. Samy tsy mbola misy very fanantenana izy roa ireo satria mety mbola ho tafita hiatrika ny dingana manaraka izay mandresy.

Fihaonana faharoa ho an’ity sokajy ity ihany ny an’i Espaina, manana isa 6, sy Kroasia, nahazo isa 4. Tsy maintsy hanao izay ho afany ry zareo Kroaty, mba hiady ny laharana voalohany amin’ity. Etsy ankilany, tsy hanao ambanin-javatra ity lalao ity ny Espaniola, na efa nahazo ny tapakilany aza, fa tsy maintsy hiaro ny anaram-boninahiny ary mihevitra ny hitana ny laharana voalohany efa azony, ao amin’ity vondrona ity.

 


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70793

Trending Articles