Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70885

Resaky ny mpitsimpona akotry : tetika marivo fototra

$
0
0

Malalaka ny sehatra hoan’ny mpandeha an-tongotra eny amin’ny “Avenue”. Mizarazara anefa na izany aza ny fomba fandraisan’ny mponina ilay fepetra mandrara ny fifamoivoizan’ny fiara amin’iny arabe midadasika iny mandritry ny folo andro. Iza moa no tsy hiaiky fa efa tsy zakan’ny tsenan’ny làlana intsony ny fahabetsahan’ny fiara mivezivezy eto an-drenivohitra. Tsy ny fandrarana ny fizoran’ny fiara amin’ilay arabe lehibe indrindra iny no fanafody hamaha ny olana eo amin’ny fikatson’ny fifamoivoizana, vao maika aza mampitombo ny fahasahiranana any amin’ny faritra manodidina, ary tsy mijanona amin’ny manodidina akaiky izany tranga izany, fa miitatra miantraika lavitra. Atao ahoana moa fa izay ny sedran’ny tanjona noheverina. Inona marina moa io tanjona ao ambadik’iny fepetra miteraka fahasahiranana iny? Tsotra hoy ny mpandinika ny fizotran’ny raharaham-pirenena. Tsapa hoy ny siosion-dresaka fa na fety aza ny andro malaina handray anjara amin’ny lalonam-be ny maro eo anivon’ny firaisa-monina. Tsy hoe noho ny tsy firaisan-kina na tsy fitiavana mba ifalifaly, fa noho ny fahasahiranana miavosa lavareny tsy ahitana andro mangirana. Manahirana ny fitondrana izany fomba fisehoan’ny fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka izany. Nikaroka ka nahita fomba fampisehona vaovao ny mpanolo-tsaina. Gejaina ny arabe manan-daza indrindra avela anjakazakan’ny be sy ny maro dia ny mpandeha an-tongotra izany, tsy maintsy mirongatra eny ny vahoaka sesehena, rehefa mihaoaho eny ny olona marobe dia mitaratra fientanentan’ny mponina hono izany araky ny fanantenan’ny mpitondra. Folo andro be izao ve? Raha feno lalandava iny faritra iny na ny andavanandro aza, mitory izany ny fahamaron’ny olona tsy an’asa. Mandritran’izay fotoana izay anefa dia mitombo fahasahiranana ny mpitaingina fiara, na ireo tompona fiara manokana na ny mpandeha amin’ny fitateram-bahoaka ny taxibe izany. Tsy vitsy ireo, maro aminy no mivezivezy noho ny anton’asa aman-draharaha. Tsy hay kajikajina ny fiantraikan’izany eo amin’ny famokarana sy ny toe-karena manginy fotsiny ny fahasorenana ateraky ny fitombon’ny fikatson’ny fifamoivoizana.

Tetika marivo tototra ny fanilihana fotsiny ny rihatra any amin’ny sisiny, toy ny fandrorana raha mitsilany ihany izany. Tsy mahaleo ny sarany ny vidiny, tsy mahavoky ny naona ny fivezivezena am-palalahana eny amin’ny avenue, ilay fepetra anefa dia miteraka fahasahiranana ho an’ny rehetra.

Léo Raz


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70885

Latest Images

Trending Articles