
Nampiaka-peo ny ben’ny Tanànan’Antalaha, Eddy Fernand. « Mila mihetsika isika ary mila hanaovantsika antontan-taratasy mazava mba hanairako ny minisitera ny momba io toe-javatra mamoafady io. Tokony hiala amin’ny asany ka manao asa hafa ny dokotera rehefa tsy mahavita hitsabo ny marary. Tsy mendrika antsoina hoe « mpitsabo »… Tsy ekena ny dokotera mamolava. Tsy ekena ny dokotera manao fandidiana nefa tsy nahazo fiofanana momba izany », hoy izy, omaly. Nohitsiny fa tokony hosamborina ireo dokotera mihoam-pefy ka hatolotra ny mpitandro filaminana. « Mba ho fanajana ny lalàna mifehy ny fahasalam-bahoaka. Efa maro loatra ny vehivavy miteraka maty ; ny olona nodidiana ka matimaty ho azy. Efa maro ny olona vonoina amin’ny fanafody tsy ilaina akory; ny marary tsy misy mpikarakara, takiana vola be. Ireo dokotera mamolava ka manao didin’ny besandry », hoy ihany ny fanamafisany.
Manoloana ireo, niantso ny rehetra afaka hijoro vavolombelona ny ben’ny Tanàna hanatitra ny fitarainana na koa handefa izany ao amin’ny kaomina Antalaha. « Tsy avela ho vitavita ho azy izany. Ampy izay », hoy izy.
Randria