Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70681

Tontolon’ny fifandraisana : Bip, tambajotran-tserasera fahefatra miasa eto amintsika

$
0
0
????????????????????????????????????

Niampy iray indray ny tambajotran-tserasera eto amintsika. Mijoro ary miasa, nanomboka omaly, ny Bip, tambajotran-tserasera fahefatra eto Madagasikara amin’ny lafiny fifandraisana na ny telefaonina finday, eo anivon’ny orinasa Blueline. Tambajotra izay voalaza fa mandeha ary azo ampiasaina manerana ny Nosy. Omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny nanaovana ny lanonana nampahafantarana ity orinasa Bip ity tamin’ny fomba ofisialy, ary nampisehoana ihany koa ireo karazana tolotra samihafa omeny ny mpanjifa.

Manomboka amin’ny laharana 039 ny nomeraon’ny karatra sim Bip, izay azo ampiasaina amin’ny karazana finday rehetra. Toa ireo tambajotran-tserasera hafa, azo hanaovana antso, handraisana sy handefasana sms, ary indrindra, azo hanaovana internet ny Bip.

Na eo aza ireo tambajotran-tserasera telo efa miasa, azo lazaina, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Bip, Damien de Lamberterie, fa mbola malalaka tsara ny tsenan’ny fandraharahana amin’ny sehatry ny fifandraisana, indrindra amin’ny telefanina finday eto amintsika. Raha eo amin’ny 60 ka hatramin’ny 70% mantsy ny tahan’ny fampiasana telefaonina finday, any amin’ny kaontinanta afrikanina, 25 % ihany izany eto amintsika. Araka izany, afaka mifaninana tsara sy malalaka amin’iretsy zokiny ny Bip. Tsy izay ihany fa efa hatramin’ny taona 2014 rahateo ny orinasa Blueline no nahazo alalana tamin’ny fanjakana amin’ny fampiasana ny tambajotran-tserasera (telefaoanina fixe, finday, internet…)

Amin’ireo tolotra isan-karazany omen’ny Bip ny mpanjifa, misongadina ny fahazoana mampiasa ny tambajotra Facebook maimaimpoana ary tsy voafetra. Nanatrika ny lanonana fampahafantarana ny Bip, rahateo omaly, ny talen’ny Facebook aty Afrika, Ebele Okobi, izay nanasongadina ny fahavononany amin’ny fiombonana antoka amin’ny Blueline.

M.R.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70681

Trending Articles