Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70304

Vain-drahalahy, tsy maharary

$
0
0
fandalina

Novoizina tafahoatra ny demokrasia tao ho ao ary nataon’ny mpanao politika hirahira araka ny fitenenana mihitsy. Indrisy, nivaona tamin’ny fanaon’ny olona ihany ny antsika rehefa tena halalinina satria tsy nifanentana tamin’ny « teny ierana » izay demokrasia malagasy tanteraka sady nitovy lanja tamin’ny an’ny vazaha nalain-tahaka.

Tsy fanajana ny demokrasia ny fisakanana ny fanehoan-kevitra, na inona na inona antony. Fahendrena Malagasy, nahatsara fiarahamonina hatramin’izay anefa ny fitazonana ho an’ny tena ny resaka mety hanafintohina ny hafa. Noheverin’ny maro ho fanomezan-dàlana hanao izay rehetra tiana hatao aza ny demokrasia noho ny fandikana be fahatany sy ny fihinanana amam-bolony ny kolontsaina tandrefana aty amintsika tatsinanana. Demokrasia ny miralenta, ampitoviana ny lahy sy ny vavy. Afangaron’ny sasany, noho io tosa-kevitra io, ny lehilahy sy ny vehivavy ka nahatonga ireo vehivavy hanambady samy vehivavy na ny lahy, hivady amin’ny lahy mitovy aminy.

Tadiavin’ireo tsy voa, hanilihana andraikitra amin’ny fisian’ny voina tafahoatra amin’izao fotoana izao indray, ankehitriny, ireo niharam-boina noho io demokrasia io. Sahin’nysasany mihitsy ny mandatsa fa ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ireo mponina ireo no nahavoa azy. Tamin’ny anaran’ny demokrasia moa no nanambarany fa zony ny miteny izany na tsy hahafaly olona nefa alahelon-tseza no tena mibaiko ny filazana toy ireny. Fanakianana sy fampangotsohana rano fotsiny mantsy no demokrasian-dry zalahy, hampiempoana ny hambom-pom-bahoaka hitroatra. Demokrasia ho an’ny mpiandry toerana izany fa tsy demokrasia Malagasy nentim-paharazana satria fanaovana “vain-drahalahy tsy maharary”.

Manou

Cet article Vain-drahalahy, tsy maharary est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70304

Trending Articles