Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Resaky ny mpitsimpona akotry : tsy soroka hiara-kilanja, tsy tongotra hiara-mamindra

$
0
0

Misedra fahasahiranana tsy mbola toy izao ny mpampiasa arabe noho ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Tsy manakana ireo miseho azy ho manamboninahitra anefa izany amin’ny fitadiavana hisisitsisika amin’ny fanilikilihana mba hanavatsavana lalana. Tsy ireo lehiben’andrim-panjakana akory fa asa na minisitra kely na solombavambahoaka taitaitra fotsiny no miseho manapatrapatra fahefana izay heveriny fa fananany. Ny mpamily fiara moa dia mampiseho fahalainana hihataka fa samy efa malikiliky avokoa. Aiza moa avy eo amin-dRasalama mandram-pahatonga eny Ambatoroka eo amin’ny fiolahana mankany Ambohipoho dia lany eo ny adiny iray sy fahefany. Amin’ny fisehoan’ny fahasahiranana toy izao tokony hipirimpirina ireo mpitondra, na tsy izy aza angamba no loharano niteraka izao fahasahiranana izao tsy afaka hialangalana tsy ho tompon’andraikitra eo amin’ny tsy fahitana vahaolana vonjimaika izy mianakavy tokony iray hina ho tompon’antoka mitambatra. Raha misy soa kely vita, loza izato fiaraha-mientana hitaty dokadoka sy voninahitra, rehefa mitranga ny tsy mety dia tadiavina ho dinganina fotsiny, hiavaka amin’ny vahoaka tsy haneho firaisankina eo amin’ny fiharetana fizakana ny mangidy. Fahamaikana ve ? Vendrana tsy misy maika ve ireny olona miandry ny fandaminana ny tsy milamina ireny? Maika hanao inona moa? Nandefitra angamba ny olona raha toa tazana mivaingana toy izay fahamaizana izay ny vokatra.
Efa nampikorontana ny tra-boina eny Andohatapenaka ny fahatsapana fa rehefa miseho tokoa ny tokoa dia toy ny kamboty ny mponina, kamboty velon-dray satria ao ny fanjakana nefa malaza amin’ny fisiany fotsiny toy ny vilian-tsahona malaza ho vilia fotsiny fa tsy hita hihinanana. Mitombo hatrany anefa ny fahoriana mianjady, loza no naterak’ilay fahavakisan’ny fefiloha teny Atsimondrano, tondraka iny lemaka eny atsimon’Anosizato, ain’olona maro no nafoy, olona an’arivo no voatery nandao ny trano fonenany. Gaga ihany raha naheno ny afatra nataon’ny Raiamandreny be mikasika ny filàna fitandremana eo amin’ny toerana anorenana trano. Ny vahoaka koa efa ela no nametraka afatra tsy tonga any amin’ny fitondrana: mila fitandremana ny fanomezana alàlana ny fanatotofan-tany, mpampiahiahy ny lalana ambanin’ny tany ahazoana ireny alàlana ireny.

Léo Raz

Cet article Resaky ny mpitsimpona akotry : tsy soroka hiara-kilanja, tsy tongotra hiara-mamindra est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles