
Tontosa ny alahady teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankatso, ny fifaninanana “Open Dynamic” eo amin’ny taranja taekwondo, nokarakarain’ny klioba Dynamic.
Araka izany, tsy namelan-dry zareo ao amin’ny klioba mpikarakara raha tsy izy ireo no nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fahazoana sy fandraofana medaly volamena. Nahazo medaly volamena 16 sy volafotsy 26 ary alimo 5 izy ireo ka nahazoany ny laharana voalohany tamin’iny andiany faharoa nokarakarain’izy ireo iny. Manaraka azy eo amin’ny laharana faharoa ny klioba Spirit Taekwondo, nahazo volamena 10 sy volafotsy 7. Eo amin’ny laharana fahatelo ny klioba Lion, nandrombaka medaly volamena 9 sy volafotsy 5 ary alimo 3. Tany amin’ny laharana fahefatra kosa ry zareo avy any Toamasina tamin’ny alalan’ny Black Tiger, nahazo volamena 8 sy volafotsy 6.
Ankoatra izay, noho ny tsy fandraisan’andraikitry ny filohan’ny federasiona malagasy (FMTKD), Ramanantselonina Andry, andraikitra amin’ny fikarakarna ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara no antom-pisian’ny “Open Dynamic”. Marihina fa nahitana fandraisan’anjaran’ny avy any Mananjary sy Boeny ny hetsika tamin’izany.
M.N.