Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Beach soccer – Can 2015 : tafita amin’ny dingana manaraka i Maorisy

$
0
0

 Tafita hiatrika ny fihodinana faharoa, amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny beach soccer, ny Club M Maorisiana. Resiny teo amin’ny lalao miverina amin’ny lalao savaranonando, tamin’ny isa 5 noho 2, tao amin’ny taniny i Mozambika, ny alahady lasa teo. Marihina fa resin’i Mozambika tany aminy, tamin’ny isa tery 4 noho 2 teo amin’ny lalao mandroso. Rehefa natambatra ny isan’ny roa tonta, tamin’ireo lalao mandroso sy miverina ireo, dia ny Maorisianina, no nanantombo.

Lalao miisa fito, tanterahina eo amin’ny fihodinana faharoa, ka anisan’ireo hiditra an-tsehatra ny ekipam-pirenena malagasy, izay efa miomana fatratra any Boeny any. Ny 13 – 15 marsa, hanaovana ny lalao mandroso ary ny 20 -22 marsa kosa ny miverina. Raha tsiahivina, handray ny Bafana Bafana ny Malagasy eo amin’izany fihaonana izany ary hivahiny any Johanesbourg kosa aorian’izay. Ireo ekipa fito tafavoaka eo miampy an’i Seychelles, mpampiantrano, hiatrika ny dingana farany, hatao ny 14 – 19 avrily.

M.N.

Ny fandaharan-dalao:

1-Mali # Senegal
2-Djibouti # Maraoka
3-Oganda # Ghana
4-Tanzania # Egypta
5-Maorisy # Côte d’Ivoire
6-Madagasikara # Afrika Atsimo
7-Nizeria # Lybia

Cet article Beach soccer – Can 2015 : tafita amin’ny dingana manaraka i Maorisy est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles