Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Tahirimbolam-panjakana : tsipahin’ny depiote ny « fangaronam-bilany » ataon’ny HVM

$
0
0
_DSC9269

 Niakatr’afo ny sasany amin’ireo birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, omaly. Nitambatra na samy hafa firehana sy loko politika aza izy ireo, noho ny fikasan’ny fitondrana HVM hanao amboletra haka vola ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana. Niombom-peo na Mapar na VPM/MMM na PMP sy ny sisa. « Toherinay sy tsipahinay marindrano ny baiko na toromarika hamoahana vola ao amin’ny Tahirimbolam-panjakana ka natao hamelomana antoko iray », hoy ny depiote Mapar, Razafitsiandraofa Jean-Brunelle tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza.

Notsiahivin’ity depiote ity fa noho ny fanararaotam-pahefana nataon’ny mpitondra hatramin’izay, maka vola amin’ireo orinasa ampiasan’ny fanjakana vola, nanao lalàna ny depiote sy ny minisiteran’ny Vola mbamin’ny fiadidiana ny Tahirimbolam-panjakana hanakanana izany. Lany ilay lalàna laharaha 2014-014 ary manan-kery sy efa neken’ny HCC. Mitady hanitsakitsaka izany indray anefa ny lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny HVM ankehitriny.

« Tsy fanarahan-dalàna, tsy misy ohatra ny fomba nanendrena ny Praiminisitra nefa tsy azo iverenana fa efa neken’ny HCC saingy ity lalan-dririnina ataon’ny fanjakana maka ny volan’ny orinasam-panjakana ity kosa tsy ekena intsony », hoy koa ny depiote Mara Niarisy. Notsiahiviny fa efa nanaovan’ireo fitondrana nifandimby tantely afa-drakotra ny volan’ny Jirama ary mbola mitady zavatra hafa indray ny mpitondra.

Nisy tamin’ireo depiote koa no nanamarika fa ampidirin’ny fitondrana ho raharaham-panjakana ny raharaha politikany. Na tsy niteny mivantana aza izy ireo, iantefan’ny fanakianana avy hatrany ny paik’adin’ny filohan’ny HVM, Rakotovao Rivo sady minisi-panjakana sy ireo mpiara-dia aminy. Toherin’izy ireo koa, noho izany, ny fitadiavan-dalana « hanaovana ho mpiandry trano ny PDS-n’Antananarivo Renivohitra ». Takian’izy ireo ny fanomezana ny ampaham-bolan’ny Tahiriy fikojakojana ny lalana (FER) hanarenana ny làlana eto amin’ny Renivohitra.

 Raikitra ny angaredona

 Tokony hahaleo tena amin’ny fitantanana ny volany, araka ilay lalàna mifehy ny Tahirimbolam-panjakana ireo orinasa ampiasan’ny fanjakana vola. Noho izany, tsy misy idiran’ny Fiadidiana ny Repoblika na ny minisiteram-panjakana misahana ny Fotodrafitrasa izany fa an’ny minisiteran’ny Vola sy ny tetibola. Tsy misy tokony hitsabaka amin’ny andraikitry ny hafa.

Raha ny fanazavan’ireo mpiasan’ny Tahirimbolam-panjakana sy ny tale jeneraliny teny Antaninarenina, omaly, mikasa hanao amboletra hatrany hampamoaka vola 40 miliara ariary azy ireo ny fitondrana. Mitarika izany amboletra izany ny filohan’ny HVM sy ny minisitra namany Andriantiana Ulrich. Nambara fa hanaovana fanatsarana na fanarenana ny seranan-tsambon’i Toamasina izany. Raha tsy manaiky ny tale jeneraly sy ireo mpiasa dia ho avy ny didy manaisotra ny tale jeneraly amin’ny toerany.

Nanamafy, noho izany ireo birao maharitry ny Antenimieram-pirenena fa tsy fanambarana tatitry ny governemanta no handravana lalàna. « Tohananay tanteraka ny fanambaran’ireo mpiasa ary toherinay ny teritery sy ny fandrahonana ampiharina amin’izy ireo », hoy ireo depiote. Mazava ny resaka fa na didim-panjakana na didim-pitondrana na teny midina, tsy afaka mandrava lalàna. Efa angaredon’ny depiote sy ny mpiasa izany izao no atrehin’ny mpitondra ka mbola hiziriziry hanao letrezana ihany ?

Zo. Ra.

Cet article Tahirimbolam-panjakana : tsipahin’ny depiote ny « fangaronam-bilany » ataon’ny HVM est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70309

Trending Articles