Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Leo ny tsy fandraisana andrikitra : nidina an-dàlambe ireo tra-boina

$
0
0
11007468_912793368761617_549468189_n

 Leo ny tsy fihainona azy ireo ! Nanatanteraka hetsika an-dàlambe ho fitakiana ny fandraisana andraikitry ny isan’ambaratongany mikasika ny toe-javatra iainan’izy ireo noho ny fiakaran’ny rano nandritra ny herinandro maro ny tra-boina teny amin’ny faritra Andohatapenaka, omaly tolakandro.

Vokatr’io fidinana an-dalambe io moa dia tapaka tanteraka iny lalana mankany Andohatapenaka iny ka nampimenomenona ireo mpitondra fiara sy ireo olona maro namonjy fodiana.

 Nangatahin’ny mponina, ny hamahana ny sakana eo amin’ny lakandrano fivarinan’ny rano avy any Ambodirano-Ampefiloha ho any Andohatapenaka, izay lazainy fa voabahan’ny trano naorina eo amboniny amin’izao fotoana izao. Nanomboka nanome tsiny ny fitondrana noho ny tsy fisian’ny manampahefana nidina ifotony, nijery vahaolana ho azy ireo ny tra-boina, omaly, ka vahaolana avy hatrany no ilainy, hoy izy, fa tsy fanampiana.

 Miala any indray ny entona masiaka

 Nifampiresaka tamin’ny mpanao fihetsiketsehana teny an-toerana ihany ny minisitry ny Mponina, Onitiana Realy, omaly, nefa efa nandalo, nandrava ny hetsika tamin’ny entona masiaka koa ny mpitandro filaminana, nialoha izany.

Tsy nisy aloha ny naratra, rah any vaovao azonay, saingy ny fahatezeran’ny mponina kosa no niampy noho ity fihetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana ity. Niantefa tany amn’ny Filoha mihitsy moa izany ka nilazan’izy ireo ny fahadisoam-panantenany : “izao ve no hanaovana anay anefa izahay anie no nampandany azy ka nahatonga azy teo amin’io toerana io e ?”

Manou

Cet article Leo ny tsy fandraisana andrikitra : nidina an-dàlambe ireo tra-boina est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70299

Trending Articles