Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

CUA : tsy manaiky sata hafa ireo mpiasa

$
0
0

Tsy hanaiky hatramin’ny farany ny mbola hizarana an’Antananarivo ireo mpiasan’ny kaominina. Mihevitra ny mbola hamolavola sata vaovao mantsy ny fitondrana ka manohitra izany ireto mpiasa ireto. Amin’izy ireo, tokony hajanona amin’izao sata mifehy azy izao ny renivohitra. Mangataka ny fitondram-panjakana ihany koa izy ireo ny tsy hanemorana intsony ny fifidianana ben’ny Tanàna, indrindra fa ny eto Iarivo. Mahatsapa ireto mpiasa ireto fa simba tanteraka ny renivohitra raha toa ka mbola tsy olom-boafidim-bahoaka no mipetraka eo.

Nadia

Cet article CUA : tsy manaiky sata hafa ireo mpiasa est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70292

Trending Articles