Tafapetraka soa aman-tsara any amin’ny planeta Marsa ihany ny «curiosity», ilay sambondanitra nalefan’ny Nasa. Valo volana ny faharetan’ny diany, izao izy tonga any amin’ny Marsa omaly izao. Hery nokleary no nampandeha azy tamin’izany. Fahombiazana tanteraka izany ho an-dry zareo Amerikanina, hanohizan’izy ireo ny fikarohana any amin’io planeta io hahafantarana raha misy «aina» any na tsia. Vola 20 miliara dolara no lany amin’izany. «Aoka tsy ho diso hevitra fa vola very maina ny nampandehanana io sambondanitra io», hoy ireo mpikaroka ao amin’ny Nasa.
Tombontsoa ho an’ny zanak’olombelona rehetra maneran-tany ny vokatry ny fikarohana azo avy amin’izany. Marihina fa misy fitaovana frantsay nampiarahana amin’ny «Curiosity», nitondran-dry zareo Frantsay ny anjara birikiny koa amin’izao fikarohana izao. Amin’izao fotoana izao, betsaka ny olana noho ny fiovan’ny toetrandro eto ambonin’ny tany, ka mihevitra ireo mpikaroka fa mety hahitana ampahany amin’ny vahaolana ny dian’ny «Curiosity».
M.C