Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70636

Kaominin’i Toamasina I : 17 mianadahy ny kandidà ho ben’ny tanàna

$
0
0

 Vonona sahady amin’ny fiatrehana fifidianana ben’ny tanàna amin’ny 17 jolay ho avy izao ny ao Toamasina I. Efa mandeha ny kajikajy politika rehetra amin’izany ao an-toerana. Notsiahivin’ny mpampaka-tenin’ny Cenit, Rakotondrazaka Fano, nanofana ireo rantsa-mangaikan’ny fikirakirana fitaovam-pifidianana (OVEC) fa ny 18 marsa izao ny fiantombohan’ny firotsahan-kofidina.

Raha ny fantatra, tafakatra hatrany amin’ny 17 sahady ireo kandidà te hitondra ny kaominin’i Toamasina I, ka lehilahy no maro an’isa amin’ireo. Telo monja no vehivavy hifaninana, araka ny fanadihadiana. Anisan’izany i Claudine Tsé, fahatelo tamin’ny fifidianana depiote farany teo. Manaraka azy Ratsiraka Sophie. Samy avy amin’ny Arema izy roa ireo. Vehivavy mpandraharaha kosa ny fahatelo, izay mbola tsy nitonona anarana.

 Hifanjevo ny samy Tim

 Amin’ ireo lehilahy 14 ambiny kosa, mety hifanjevo ny kandidà mpomba ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nilaza ny mbola hirotsaka mba hiverenana amin’ny toerany ny ben’ny tanàna teo aloha, ny Dr Rakotomanana Gervais. Hifampitady aminy ao Rakotomandimby Bofizah Fidel.

Ankilan’izay, nilaza ireo depioten’ny Mapar, izay lasa minisitry ny Rano, ny Dr Ndahimananjara Johanita fa tsy maintsy hanolotra kandidà amin’ny anaran’ny Fivoy izy ireo. Hanavotra ny fahareseny teo amin’ny fifidianana depiote koa ny ekipann’i Bennessy Harisson.

Tsy hipetra-potsiny koa ny HVM amin’ny fisafidianana amin’i Lahady Bruno sy Mamy Narove. Efa voatendry ho lefitra voalohan’ny PDS rahateo ity farany. Efa nipoitra koa ny kandidàn’ny MTS, Belahy Paul, akaiky ny minisitry ny Asa vaventy isaky ny tonga ao Toamasina. Hifaninana ao koa ny filohan’ny Antenimieran’ny varotra, ny sekretera jeneralin’ny kaominina teo aloha, ny tale jeneralina orinasa mbamin’ireo mpitantana fanatanjahantena na ny mpandraharaha. Hafana izany ny fifaninanana ao Toamasina I.

 Sajo sy Zo. Ra.

Cet article Kaominin’i Toamasina I : 17 mianadahy ny kandidà ho ben’ny tanàna est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70636

Trending Articles