Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70740

Fantina sy fintina

$
0
0

Efa eto an-tanindrazana ny filoha teo aloha, Ravalomanana rehefa avy nivahiny nandritra ny andro maromaro tany Inde. Niompana amin’ny resaka toekarena sy fandraharahana ny anton-diany tany amin’ity firenena anisan’ny Brics ity.

Tafiditra amin’ny famelomana indray ny orinasa Tiko izao fivoahana matetika ataon’ity mpandraharaha sady mpanao politika ity.

Manana vahaolana hivoahana amin’ny krizy Rasambozafy Cyril. Nambarany, omaly fa tokony hapetraka ny fizivana, toy ny fifanarahan’ny foko samihafa teo aloha. Hanombohana izany ny kere any atsimo. Zivan’ny Antesaka ny Antandroy. Hiitatra any amin’ny Makoa sy ny Betsileo izany satria mpiziva sy nifanaraka amin’ny Antesaka ireo. « Tahaka izany ny hamahana ny olana ato ary hiteraka firaisankina rehefa tsy mahomby ny politika », hoy izy. Hifamory etsy 67ha ny Antesaka anio hametraka izany.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70740

Trending Articles