Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70808

Lozam-pifamoivoizana – Anjomakely : nifandrotehan’ny olona ny entana nentin’ilay kamiaobe nivadika

$
0
0
VENTREtaratra

 

 Tsy gisitra amin’ny zava-mitranga ny mpanararaotra. Nifandrotehan’ny olona nanatri-maso sy nahita ny loza nihatra tamin’ity kamiaobe iray, tapaka ”frein” ary nivarina an-tanimbary, tetsy Anjomakely, ny asabotsy teo, ny entana.

Naratra mafy ny mpamilin’ilay kamiaobe sy ny mpanampy azy vokatr’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Anjomakely, akaikin’ny Resto Gasy, ny asabotsy tolakandro teo. Voalaza fa noho ny olana ara-teknika tao amin’ilay kamiaobe no nahatonga ny loza ka izao nivadika an-tanimbary izao. Nisy tamin’ireo nahita ny fitrangan’ny loza kosa nilaza fa niala fiara ny mpamily, saingy tsy nahafehy ny familiana ka nifatratra tany an-tanimbary. Nitondra sakafo tanaty baoritra marobe ity kamiaobe ka niparitaka teo amin’ny arabe sy teny an-tanimbary izany. Potika tanteraka ihany koa ny fiara. Nanahirana ny fisokirana azy roa lahy (mpamily sy ny mpanampy azy) tao anaty korontambin’ny fiara. Avotra ihany anefa na somary nanano sarotra aza ny fisokirana azy ireo. Tsy nisy kosa ny aina nafoy fa nentina haingana namonjy hopitaly izy roalahy.

Tetsy ankilan’izay, toy ny mahazatra rehefa misy trangana lozam-pifamoivoizana toy izao, nirangorango ny mpanararaotra ka nifandrotehan’ny olona ny entana nentin’ilay kamiaobe nivadika ity. Samy naka izay azony ny ankamaroan’ireo olona mody nitazantazana sy nitangorona manodidina ilay kamiaobe nivadika. Nisy ireo nifandrombaka hatreny an-tanimbary mihitsy naka izany.

Tonga teny an-toerana ihany ny zandary fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza, saingy tsy kely lalana ny ratsy. Nisy koa ireo nanararaotra naka ny gazoala tao anaty fitoeran-dasantsy.

Mamoa-doza hatrany ny kamiaobe…

Tsikaritra fa namoa-doza hatrany tato ho ato ireny kamiaobe mpitatitra entana eny amin’ny lalam-pirenena ireny. Tokony hitandrina hatrany, araka izany, ny mpampiasa ireny fiarabe ireny satria tery ny lalana eto amintsika indrindra ny RN 2 sy ny RN 7 nefa ifamezivezana fiarabe isan’andro. Maro amin’izy ireo koa matetika no tsy mahafeno intsony ny fepetra takin’ny fifamoivoizana nefa mbola miasa hatrany. Tokony hamafisina indray ny fanaraha-maso ireny fiarabe ireny satria zary gaboraraka izany tato ho ato ka izao no iafarany.

J.C


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70808

Latest Images

Trending Articles