Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70636

Rugby : hampahafantatra an’i Madagasikara ny DHL Africa As One

$
0
0
Rugby 25 fev

 Mandalo eto Madagasikara ny ekipan’ny DHL Africa as One tarihin-dramatoa, Louise Otter, tomponandraikitra eo anivon’ity fikambanana ity, fito volana mialoha ny hanombohan’ny fiadiana ny amboara eran-tany, amin’ny baolina lavalava. Fihaonana hatao any Angletera, ny 18 septambra – 31 oktobra ho avy izao.

Nambarany tamin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, omaly tetsy amin’ny DHL Ankorondrano fa anisan’ny antodian-dry zareo eto amintsika ny ho fampahafantarana amin’izao tontolo izao an’i Madagasikara. Tsy amin’ny alalan’ny rugby ihany fa eo amin’ireo kolontsaina sy ny fombafomban’ny mponina ihany koa. Alain’ity ekipan’ny DHL Africa as One ity sary avokoa mantsy ny hetsika rehetra atao eto amintsika, mandritra ny fitsidihany, ka harafitra ho horonan-tsary.

Raha tsiahivina, firenena 45 aty amin’ny kaontinanta afrikanina, misy ny DHL, lalovan’izy ireo ka ao anatin’izany isika eto Madagasikara. Nambaran-dRakotondraibe Mamy, tale jeneralin’ny DHL Madagascar, fa fampandrosoana sy fampiroboroboana ny rugby no tanjon’ny DHL izay mpanohana ofisialy ny «Coupe du monde 2015». «Tsy avela handalo fotsiny ny fiadiana amboara eran-tany fa tsy maintsy hisy ny hetsika maro, hampiainana ny vahoaka malagasy, mialoha sy mandritra ny fihaonana, hatao any Angletera», hoy izy.

 Hahazo vahana ny kilonga

 Ankoatra ny fampahalalana ny vahoaka malagasy ny fisian’ity fihaonana an-tampony amin’ny baolina lavalava ity, hisy koa hetsika telo lehibe, hataon’ny DHL Africa as One eto amintsika. Anisan’izany ny fampianarana sy fampitana fahaizana, ny filalaovana rugby ho an’ny ankizy sy ireo mpanjifa ny DHL Madagascar.

Hein Ferreira, Rugby coach-n’ny DHL Africa as One, ny hanome izany etsy amin’ny kianjan’Alarobia ny asabotsy tontolo andro. Ny komision’ny tanora eo anivon’ny federasiona, hisahana ny fitsongana ireo ankizy miisa 120, hahazo izany fandrantoam-pahaizana izany.

Hisy koa fizarana fitaovam-pianarana, ho an’ireo mpianatra ao amin’ny EPP Ivandry sy ny ao Isahafa Lazaina Avaradrano. Hotontosaina ny talata ho avy izao izany. Ny zoma tontolo andro kosa, hisy ny fizahana maso sy fizarana solomaso, hotontosaina eo amin’ny tokotanin’ny DHL Ankorondrano.

Hamaranan’ireto ekipan’ny DHL Africa as One ireto ny diany eto Madagasikara, ny fitsidihana ny Lemurs Park, valan-javaboahary, ahitana ny Makis, mariky ny ekipam-pirenena malagasy ary koa ny rovan’i Manjakamiadana sy Ambohimanga.

 Tompondaka

Cet article Rugby : hampahafantatra an’i Madagasikara ny DHL Africa As One est apparu en premier sur NewsMada.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70636

Trending Articles