
Vonona i Francis Turbo. Efa liana ihany koa ireo mpankafy, hihaino sy hahita izay nomaniny. Ny fantatra aloha, horesahina ny resaka finoana sy fivavahana…
Tsy haniratsira fivavahana akory! Mila hapetraka mialoha izay, sao misy mihevitra fa hanao an’izany i Francis Turbo, mandritra ny fampisehoana indroa miantoana, hotontosainy ny zoma 19 febroary amin’ny 7 ora hariva sy ny alahady 21 febroary amin’ny 3 ora tolakandro, samy etsy amin’ny CCEsca Antanimena. Ny lohahevitra “Andriamanitra ô! Inona ary ‘ity?” mihitsy no manaitra, satria mazava loatra fa hiresaka finoana i Francis Turbo anatin’ny hatsikana homaniny.
“Azo atao tsara ny miady hevitra amin’ny resa-pinoana aorian’ny fampisehoana, indrindra ny alahady”, hoy ny nambarany. Efa vonona amin’ny tolotra homaniny ho an’ireo mpijery, araka izany, ity mpanakanto mpanao hatsikana ity. Fanaony isan-taona rahateo ny fampisehoana indroa misesy toy izao, isaky ny volana febroary. Misy hatrany ny hatsikana vaovao, ankoatra ny fanavaozana ireo hatsikana taloha.
Tafiditra anatin’ny fanatsarana ny tolotra hatrany, handrindra sary sy feo hafa, hifanaraka amin’izay hataony eny an-tsehatra i Francis Turbo. Efa nisy fotoana nanaovany izay, ary anisan’ny tena nankafizin’ireo mpijery izany. Fantatra koa fa na tsy tao anatin’ny fandaharam-potoana loatra aza, hoentiny an-tsehatra ihany ireo hira natambatra nentina nampahafantarana ny hetsika, noho ny fahamaroan’ireo nangataka izany.
Zo ny Aina