Ny alin’ny asabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora dia tokantrano iray tao Ambalahila, kaominina Befanany, indray no notafihan’ny jiolahy nirongo basy mahery vaika sy antsy. Efa-dahy no niaraka tamin’io fotoana io. Avy hatrany dia niara-nanao amboletra niditra an-keriny tao amin’ny tokan-trano iray raha vao nisokatra ny varavarana. Norarafan’ireto jiolahy ireto tamin’ny tifitra variraraka ny iray trano. Nandritra izany no nahalavo ny tovolahy zanaky ny tompon-trano izay niantefan’ny bala tsy latsaky ny telo. Nihorohoro tsy nisy sahy nanohitra ny iray trano. Nanao izay danin’ny kibony tao amin’ity tokantrano voatafika ity izy efa-dahy avy eo. Nataon’izy ireo savahao ny trano. Valizy iray lehibe feno lamba sy fitafiana maro no nobatain-dry zalahy tamin’izany, ary mbola najifan’izy ireo ihany koa ny lelavola mitentina 300.000 ariary.
Tiavina
Cet article Fanafihana tao Toliara : lehilahy iray namoy ny ainy est apparu en premier sur NewsMada.