Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70562

ORTVA – Vakinankaratra : nahazoana fankasitrahana ny fitantanana

$
0
0

Notanterahina ny 22 janoary lasa teo, tao amin’ny Hotel des Thermes Antsirabe, ny fivoriambe voalohany nataon’ireo mpandraharaha mpikambana ao amin’ny Office régional du tourisme Vakinankaratra (ORTVA). Fivoriambe notarihin’ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Andrianaivo Rosette (PCA), sy ny tale mpanatanteraka, Rija Disaine, nahitana mpandray anjara 54 avy ao Vakinankaratra.

Nandritra izany fivoriambe izany, nanao jery todika ny vokatra azo ny taona 2015 ny PCA; novelabelarin’ny tale mpanatanteraka kosa ny zava-bita sy ny fihetsiketsehana ara-pizahantany maro nandraisan’ny ORTVA anjara. Ireo jery todika roa ireo, samy nahazoana fankasitrahana tamin’ny mpivory. Afa-po izy ireo raha nahare ny tatitra ara-bola tsara tantana, araka ny fanambarana nataon’ny solontenan’ny CGA (Centre de gestion agréé Antsirabe). Vokany, nahazo fitokisan’ny mpikambana ny birao mpitantana.

Natao, nandritra io fotoana io, koa ny fifidianana ho fanavaozana ireo mpikambana ao amin’ny biraom-pitantana. 11 ny isan’izy ireo, nisy ny vaovao, ao ihany koa ireo tranainy. Voasolo ao anivon’ity birao ity daholo ireo sokajim-pandraharahana rehetra momba ny fizahantany ao Vakinankaratra. Manomboka amin’ireo karazana hotely samihafa izany, ireo trano fampiofanana ao an-toerana, miafara amin’ny rafitra mahasahana ny fikajiana ny tontolo iainana. Mbola lany filohan’ny filankevi-pitantanana Andrianaivo Rosette.

Jeannot Ratsimbazafy


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70562

Trending Articles