Quantcast
Channel: Newsmada
Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Jery taratra… herinandro  : fako… fitsarana fandraisam-bahiny

$
0
0

Miverina indray ny fisavovon’ny fako saika amin’ny faritra maro eto Antananarivo Renivohitra; eny, na mbola misy aza ny tsy afaka tanteraka tamin’ireo fako teo aloha amin’ny faritra sasany. Ny eo tsy afaka; ny tonga, tonga ihany…

Tsara ratsy, mandray an-tanana ny raharaha ny eny anivon’ny Primatiora, izay nampiantso ny tompondraikitra isan-tokony amin’izany: minisiteran’ny Rano; ny kaominina Antananarivo Renivohitra, izay tsy nandefa solontena; ny Samva.

Hiverina indray aloha ny hetsika manokana hanalana ireo fako. Tsy olana ny vola, fa ny fanamboaran-dalana amin’ny fanatobiana fako eny Andralanitra. Voatery natoby vonjimaika eny amin’ny kaominina Alasora ny fako… roa andro.

Tsy ampy ny fanazavana? Nihetsika ny mponina eny Alasora ny amin’izany. Manahy areti-mifindra toy ny pesta, maloto ny rivotra iainana… Fako avy, rey olona, ka manahirana? Lasa raharaha lehibe amin’ny fandaminana tanàna…

Nefa hoe handray vahiny amin’ny fampiantranoana ny fivoriana an-tampon’ny Comesa sy  Frankôfônia amin’ity taona ity. Laharam-pahamehan’ny fitondrana ny fandriampahalemana sy fanorenana fotodrafitrasa amin’izany.

Aiza ho aiza ny sosialim-bahoaka? Mitsara ny tsirairay… Mahabe resaka koa ny amin’ny tontolon’ny fitsarana. Nisy ny fihaonan’ny filohan’ny Repoblika tamin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara (CSM).

Voaresaka tamin’izany ny momba ny fahaleovantenan’ny fitsarana; matetika, tsabahin’ny fahefana mpanatanteraka. Raha tsiahivina, filohan’ny CSM ny filohan’ny Repoblika ary filoha lefitra ny minisitry ny Fitsarana.

Nilaza handray andraikitra amin’ny fihoaram-pefy ary fandikan-dalàna ataon’ny mpitsara ny CSM. Nosamborina sy naiditra am-ponja vonjimaika ilay mpitsara voasaringotra amin’ny « Raharaha Arnaud » tany Toamasina.

Inona avokoa izany rehetra izany? Fako… fitsarana fandraisam-bahiny: diovina ny tanàna fa handray vahiny. Ahoana ny fiainam-bahoaka ao anaty fahasahiranana lava amin’izany? Aoka hitsara ny tsirairay. Ho hita eo ny tohiny…

R. Nd.


Viewing all articles
Browse latest Browse all 70697

Trending Articles