Dia aleo angamba ovaina amin’izay ilay oha-pitenenana manao hoe, «Toy ny sotro ranon’akoho, na be na kely azo dia andrandraina » foana. Noho izany, andeha hiara-hiteny hoe,
« Toy ny sotro ranon’Antananarivo, ka na maloto aza sotroina ihany ». Tsy finiavana tia hamorona, sanatria, fa vokatry ny zava-misy dia voatery miteny na dia lazaina fa miteniteny foana toy izany aza, vao ho taitra angamba ny ambaratongam-pahefana isan-tsokajiny, manoloana ny zavatra iainan’ny mponina amin’ny andavanandro.
Iza tokoa mantsy no tsy mimenomenona amin’ny loton’ny rano avoakan’ny paompin’ny Jirama ankehitriny. Rano mavomavo toy ny avy eny Ikopa, tsy mampandry saina ary tsy mampatoky satria antoky ny fahasalamana ny rano. Rariny sy hitsiny arak’izany raha toa ka mampiaka-peo ny mpanjifa. Ary adidy sy andraikitry ny mpitondra ary ny mpitantana ny firenena no manome toky azy ireo. Anisan’ny ampahany amin’izany ny fijerena ifotony ny zava-misy toy izay nataon’ny Praiminisitra sy ny minisitry ny Fahasalamana teny amin’ny Jirama eny Mandroseza.
Ny loza anefa dia ity, nambaran’Andriamatoa Ravelonarivo Jean fa azo sotroina tsara io rano avoakan’ny Jirama io, izany hoe io rano maloto io. Etsy andaniny dia nanamafy izany ny minisitry ny Fahasalamana. Efa vita fitiliana hono io. Tokony handry lavo loha arak’izany ireo mpanjifa satria azo antoka io rano io. Ny tompon’andraiki-panjakana mihitsy no miteny izany, mba tsy hilazana hoe ny Jeneraly mihitsy no manome baiko.
Sarotra ihany anefa ny hanatanteraka izany, indrindra ho an’ireo mpanjifa. Na Praiminisitra aza no miteny, dia tsy hanome rano maloto, na rano mavomavo ny zanany mihitsy ny Ray aman-dReny, raha tsy hoe efa didy fanerena angamba. Anefa ankehitriny, amin’izao tany azo lazaina fa tokony halalaka izao ny olom-pirenena tsirairay avy tsy tokony hisy intsony ny faneriterena, indrindra amin’ny lafiny toy izany.
Ary izay indrindra no tokony ho dinihin’ireo tompon’andraiki-panjakana sy olona mpitondra eto amin’ny firenena eto Madagasika. Marina tokoa fa manome toky izy ireo, toy ny amin’ity tranga mahakasika ny rano ity fa azo atao ny misotro izany. Saingy tsy maharesy lahatra ny zavatra ambarany, na ny toky omeny. Dia iza tokoa no adala sy kaondrana ka andeha hisotro rano miloko mavomavo toy ny ranom-potaka na dia ny tapi-pahaizana amin’ny lafin’ny fahasalamana aza no miteny? Amin’ny lafiny fiarahamonina sy ny toetsaina maha olona dia tsy mety izany.
Fa amin’ny lafiny pôlitika ihany koa dia azo ambara etoana fa ny zavatra toy izany no mahatonga ny mpitondra tsy ho to teny intsony manoloana ny vahoaka. Izany no mahatonga ireto farany tsy hahatoky azy ireo intsony. Satria ho an’ny vahoaka madinika dia tsotra ihany ny zava-misy: izay hitan’ny maso, ary io no tsy mamitaka. Ny hitan’ny masony dia ny rano mavomavo, maloto izany. Na inona lazain’iza na inona ambaran’iza, dia maloto izany io rano io. Ary raha tian’ny mpitondra ny haka ny fon’ny vahoaka sy hahazo indray ilay fahatokisana nomen’ireto farany azy izy ireo, dia tsotra ihany mila mampitovy fomba fijery amin’ny vahoaka: rehefa ny fotsy no lasa mavo dia mavo izy izay, na maloto.
Vavah Rakotoarivonjy